- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversAPMF nanara-maso ny fifamoivoizana : Lakana efa maty motera voarara mbola nandeha...

APMF nanara-maso ny fifamoivoizana : Lakana efa maty motera voarara mbola nandeha ihany…

Mitana ny sain’ny maro ilay lakana nitondra olona valo sy mpitondrana entana toy omby. Lakana hazo izy ity nefa nikasa hiampita acy tao lonkitsy tao amin’ny distrikan’I Sainte Marie hiazo an’ity fokontany lokintsy Soanierana Ivongo ity. Tsy nahazo fahazoan-dalana avy amin’ny APMF tao Sainte Marie niainga ity lakana ity noho ny toetry ny andro ratsy dia ratsy an-dranomasina. Noho ny fetim-pirenena dia nitady hevitra ny mpanamory sy ireo mpandeha niisa enina izay mpandeha nisy ao Fenerivo Atsinanana, ka nikiry nandeha ihany ilay lakana. Maty motera eny avoan-dranomasina izy vokatra izany raha niafina ny APMF tao lokontsy sy Sainte Marie ka niainga tao Maromadia. Tamin’ny 03ora tolakandro ny sabotsy io dia tao amin’ny fari-dranomasina Ambodiatafa Sainte Marie no nisy azy. Niantsy vonjy ho azy ny APMF tao Sainte Marie, nefa tsy afaka niainga ilay lakana noho onja efa nahatratra 03m be izao. Ny alahady maraina vao afaka nihetsika ilay lakana voahiraky ny APMF tao Sainte Marie, ary niezaka nikaroka ilay lakana maty motera teny afovoan-dranomasina. Nanana olana ny fikarohana noho izy ity lakana tsotra ka tsy nanana ny fitaovana ahafahana mitely azy eny an-dranomasina, ka nody maina tsy nahita na inona inona ny alahady io. Nanao antso ny prefin’I Sainte Marie, izay niantso ireo mpandraharaha lakana matanjaka ao Mananara avaratra, mba hanara-maso ny fari-dranomasina fa mety nentin-drano tany an-toerana izany. Niezaka niantso ireo mpandeha sy ny mpanamory ilay lakana ireo tompon’andaiki-mpanjakana tao Sainte Marie – Mananara avaratra – Soanierana Ivongo – ary Maroantsetra, ka tamin’ny 08ora tany ho any ny talata 27 jona vao azo ny mpanamory, ka izy no nanondro ny toerana nisy azy ireo nandritra izany. Raha natao ny fikarohana niarahana tamin’ny fitaovan’ny tafika, dia hita tao amin’ny tananan’I Ampolahambe kaominina Ambanizana Maroantsetra sy ireo olona valo tao anatiny. Ny marainan’ny alarobia 28 jona vao nentina tao an-tmpon-tananan’I Maroantsetra izy valo mianadahy ary avy hatrany dia nanaovana fizaham-pahasalamana. Vaovao no nahalalana fa tantely nentina vehivavy iray avy ao Sainte Marie no sahafon’izy ireo tao anatin’ny efatra andro. Efa tonga eny amin’ny fianakaviany avy ireto olona valo ireto amin’izao.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici