Tovovavy iray indray no maty tany Arabie Saoudite ny alatsinainy teo. Raha ny fanambarana nataon’ireo namany dia tratran’ny fijanonan’ny fo no nahafaty azy raha ny nambaran’ny mpitsabo azy tany an-toerana. Manao antso avo sy miangavy ny fitondram-panjakana mahefa izy ireo hifanome tanana amin’ny ambasady Malagasy any Arabie Saoudite mba hijery mahakasika ny fikarakarana ny razana sy ny fampodiana azy aty an-tanindrazana ary indrindra ihany koa hanara-maso ny tena zava-misy mahazo ireo mpiasa Malagasy any arabie Saoudite. Raha ny filazan’ny sasany amin’ireo tovovavy miasa any an-toerana mantsy dia misy ny toe-javatra hafahafa mahazo ireo tovovavy Malagasy ataon’ny mpampiasa azy. Tranga izay efa mpahazo ny tovovavy Malagasy miasa sy mila ravinahitra any ivelany ny herisetra mety mahazo azy ireo. Maro ny efa namoy ny ainy tany ivelany, raha tsy hilaza afa tsy ny tany Liban. Efa nisy ihany ny fotoana nandrana ny fandehanan’ny tovovavy Malagasy miasa any ivelany, saingy mbola misy ihany ny mandeha, na ireo efa any ka manohy ny fifanarahan’asa efa vita. Talohan’ity tany Arabie Saoudite ity, nisy iray namoy ny ainy ihany koa izay tsy tafody an-tanindrazana ny nofo mangatsiaka. Manahy ny mety hisian’izany ireo tovovavy sasany miasa any amin’ity tranga farany ka iantsoan’izy ireo ny fitondram-panjakana. Maro ihany koa anefa ireo efa tafody, izay efa ny fanjakana mihitsy nandray ana-tanana azy ireo indrindra tamin’ity fotoana niatombohan’ny Covid ity. Mafy ny ady sy manjo ireo vehivavy Malagasy miasa any ivelany, indrindra any amin’ireo tany arabo. Manana adidy hatrany ny fanjakana amin’ny fanaraha-maso ny fandehanana na fivoahan’ireny olona ireny eto amintsika, mba hisorohana ny faty olona tahaka izao. Somary nangingina izy io tato ho ato ary izao misy maty izao indray vao miteraka resabe. Andrasana ny fanazavana mahakasina itony tranga itony.
Yv Sam