Nivoaka tamin’ny fahanginany ihany ny filoham-pirenena, Hery Rajaonarimampianina, raha nanontanian’ny mpanao gazety maromaro tonga tao Brickaville, nandritra ny fiatrehan’izy ireo ny dian’ny filoha nijery ny tra-boina navelan’ny rivo-doza “AVA” tao Brickaville ny sabotsy teo.“Matoky ny mpiara-miasa amiko aho, ka raha ianareo no anontaniako dia tsy iza no tokony hinoako? Amin’ny maha-filoham-pirenena ahy dia ny Malagasy toy ahy no inoako mikasika io raharaha Arfa Houcine”, hoy ny filoha. Mbola nomarihany nandritra izany fa “tsy milaza ny marina sy ny tena zava-niseho iny tera-tany frantsay iny, sady tsy vitan’ny efa gadra nandositra ny fonja izy, fa mbola mandainga manaratsy ny fitondram-panjakana sy ny fitsarana ary ny vahoaka malagasy mihitsy”. Raha ny zava-misy tamin’ity tenin’ny filoham-pirenena tao Brickaville ny sabotsy teo ity, dia hanohy ny fitoriana sy ny fisamborana iraisam-pirenena efa nataon’ny fitsarana malagasy an’ingahy Arfa Houcine Y. ny fanjakana Malagasy amin’ny fiaraha-miasa amin’ny “Interpol”. Na teo anefa ity famalian’ny filoham-pirenena ny fanontanian’ny mpanao gazety mikasika ny raharaha Arfa Houcine ity, dia tsy izay kosa no hita teo amin’ny arofenitrin’ny filoha izay nampiseho ny tsy fahafaliany tamin’ny mpanao gazety saingy tsy afaka nanao inona, satria ny filoha no mamaly ny mpanao gazety nilazany ny heviny sy ny fahitany ny vaovao niparitaka teto sy tany ivelany ity.
Malala Didier