- Publicité -
jeudi, août 21, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversArivonimamo Ambohimandry : Fasana telo indray vaky, voakorontana ny razana, lasa ny...

Arivonimamo Ambohimandry : Fasana telo indray vaky, voakorontana ny razana, lasa ny taolam-balo

Ny alahady lasa teo, tany amin’ny distrikan’Ambohidratrimo iny, fasana telo be izao no indray nasesisin’ireo olon-dratsy novakiana. Taolan-davan’ireo razana rehetra tao amin’io fasana ireo, izay tsy mbola voafaritra mazava ny isany, hoy ny zandary no very tamin’izany. Mpiandry omby sendra nandalo no nahita fasan’olona nidanadana, tokony ho tany amin’ny mitataovovonana tany ho any. Niantso ny fokonolona sy ny tompon’andraikitra avy hatrany ity farany. Teny an-toerana no hita fa tsy io fasana io ihany no vaky fa nisy hafa koa teo amin’ny manodidina. Tao amin’ny tanana antsoina hoe Tsinjoarivo sy Maharemana ireo, izay samy ao amin’ny fokotnany Antsaha, kaominina Ambohimandry, distrikan’Arivonimamo. Efa nampandrenesina ihany koa moa ny zandary, ary nidina avy hatrany teny an-toerana, taorian’izay. Tamin’ny fitsirihana sy ny fanadihadiana fohy nataon’ireto farany no nahafantarana fa ny alin’ny sabotsy hifoha alahady no nisy namaky ireo fasana ireo. Ny fasana iray teo Maharemana no lasibatra, satria saika lasan’ireo olon-dratsy avokoa ny taolan-dava rehetra. Teo amin’ny fasana faharoa, tao Tsinjoarivo dia niezaka nisikotra ny varavaram-pasana tamin’ny baramina ireo olon-dratsy saingy tsy nahavita. Ny fasana fahatelo, tao amin’io tanana io ihany dia teo an-tampon’ny fasana indray no nogoahin’ireo tsy mataho-tody ary nidiran’izy ireo tao anatiny. Voalaza fa tsy nisy ny zavatra lasa saingy voakorontana sy voavaha lamba avokoa ireo razana tao anatiny. Nanokatra ny fanadihadiana entina hikarohana ireo nahavanon-doza moa ny teo anivon’ny zandary. Nisy ihany koa ny fanentanana ireo fokonolona mba hanao fiambenana ary hampandre azy ireo avy hatrany raha vao misy mahatsikaritra olona mampiahiahy. Mbola misy tokoa ary tsy mbola lefy akory ity trangana vaky fasana sy halatra taolam-paty ity, saingy tsy dia re firy izy tato ho ato izao. Mila mailo foana ary mila jerijerena matetika ireny fasana misy ny taolambalon’ny havana ireny, indrindra moa fa ireo fasana lavitry ny tanana, izay mazàna saika lasibatr’ireo olon-dratsy.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

  1. Commenter :ny mahagaga ahy @ty resaka fangalarana taolampaty ity an?Le fanadihadiana ve wa mijanona fotsiny rehefa tratra le apombo mamaky fasana e?Efa fantatra manko fa misy ny mpaniraka sy olona ambony ao ambadika ,tsy mijanona mihintsy leizy,fa atao inona leizy e?

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici