- Publicité -
mardi, mars 3, 2026
AccueilFaits-DiversArivonimamo : Ankizivavy nitondra vohoka, naolan’ny raibeny

Arivonimamo : Ankizivavy nitondra vohoka, naolan’ny raibeny

Mbola fanolanana hatrany ! Raim-pianakaviana iray, manana ny maha izy teo amin’ny tany ama-monina, ary lisitra faharoa tamin’ny fifidianana ben’ny tanana teo no nahavita nahabevohoka ny zafikely, rehefa avy naolany. Tranga niseho tao Arivonimamo. Omaly ity farany no nosamborin’ny pôlisy avy tao amin’ny fitaleavam-paritra Itasy, tao Arivonimamo, rehefa nisy ny fitoriana napetraky ny renin’ity zaza ity. Tsikaritra ho hafahafa ary fantatra fa efa nitondra vohoka enim-bolana mahery mantsy ilay zanany vavy, izay vao 15 taona monja.  « Rehefa nanontaniana ilay zaza dia nanambara fa ny raibeny, izay monina ao amin’ny fokontany Morafeno Atsimo, kaominina andrenivohitr’Arivonimamo » hoy ny vaovao. Raha ny vaovao tokoa mantsy dia miasa aty an-drenivohitra ny renin’ity zaza ity. Nalefa tany ambanivohitra, tany amin’io raibeny io ilay zaza, nisy fotoana, mba hiala sasatra kely. Zavatra hafa mihitsy anefa no niseho tany an-toerana, raha izany. Nentim-pitsiriritana mafy an’ity zafikeliny angamba ingahirainy ka tsy nahatazona ny filàn-dratsiny intsony. Ary dia notanterahiny hatramin’ny farany izany. Indrisy fa dia izao potika tanteraka sy mitondra vohoka izao ilay zaza. Tsy niandry ela moa ireo mpitandro filaminana fa avy hatrany dia nisambotra ity lehilahy nahavanon-doza ity ary nanao ny famotorana azy. «  Tamin’ny fanadihadiana natao azy dia niaiky tokoa izy fa nanolana ity zafikeliny »  hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisy hatrany. Anio moa no fantatra fa atolotra eny anivon’ny Fampanoavana, ingahibe tsy mahay miaina.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici