- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversArivonimamo : Basy sy kitapo feno ody, hitan’ny fokonolona

Arivonimamo : Basy sy kitapo feno ody, hitan’ny fokonolona

Tokantrano iray tany amin’iny Talata Tsimadilo, ao amin’ny distrikan’ Arivonimamo, no saika niharan’ny fanafihan-jiolahy ny alin’ny talata lasa teo. Noho ny fiaraha-mientan’ny fokonolona anefa dia tsy tanteraka izany fa vaky nitsoaka ireo olon-dratsy. Nanao fanarahan-dia avy hatrany ireto farany ka tamin’izany no nahitana basy fohy vita gasy, kitapo feno ody gasy sy bala teny an-dalana. Ambonin’izay dia nisy taratasy mirakitra ny paikadin’ireo olon-dratsy tamin’ity fanafihana ity koa tao anatin’ilay kitapo. Efa maty paika mihitsy araka izany ny tetik’adin’ireto olon-dratsy ireto, saingy mbola nandresy ny firaisan-kinan’ny mponina. Efa nandray ny fanadihadiana sy ny famotorana moa ny zandary tany an-toerana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici