- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversArivonimamo : Dahalo raindahiny maty voatifitra

Arivonimamo : Dahalo raindahiny maty voatifitra

Lehiben’ny jiolahy iray fantatra amin’ny anarana hoe Dede no maty voatifitry ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Arivonimamo ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy teo. Raha ny fampitam-bavovao azo dia teo am-pikononkonona fanafihana mihitsy ity farany, niaraka tamin’ireo namany no nifanehatra tamin’ireo mpitandro filaminana tao amin’ny toerana antsoina hoe Antorendrika, fokontany sy kaominina Ambatomanga amin’ny distrikan’Arivonimamo. Raikitra teo ny fifandonana. Velona ny an-kitifitifitra. Tsy naharesy tosika ireto zandary efa tsara ofana anefa ireo andian-dahalo. Tao anatin’izay no nahavoa sy nahafaty ny iray tamin’ireo olon-dratsy. Vaky nandositra kosa ireo namany.

Taorian’ny fitsirahana ny razana moa no nahafantarana, araka ny vaovao azo hatrany, fa jiolahy raindahiny sy lehiben’ny dahalo ity maty ity. Mpampihorohoro iny distrikan’Arivonimamo sy Miarinarivo ity ity farany ary efa nampitondra faisana olona maro izy sy ny ekipany. Efa nisy ihany didy fampikarohana azy navoakan’ny fitsaràna. Mbola mitohy moa any an-toerana ny hazalambo sy ny fikarohana ireo namany hafa raha ny fampitam-baovao azo hatrany.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici