Mahatsiravina ! Olona roa indray no namoy ny ainy tamin’iny lalam-pirenena voalohany iny vokatry ny lozam-pifamoivoizana sy ny fandehanana mafy. Fiara kely iray marika “volswagen”, avy any Imerintsiatosika, ho any Miarinarivo no nivadibadika sy nivarina tany an-kady. Araka ny fampitam-baovao azo dia nandeha mafy ity fiara kely ity. Iny lalam-pirenena voalohany iny anefa efa iaraha-mahalala fa be fiolahana, na dia malalaka aza. Teo amin’ny fiolahana iray, teo amin’ny toerana antsoina hoe Amorondrihitra, ao amin’ny fokontany Ankahalalahana, ao amin’ny kaominina Arivonimamo, no sendra ny patsa iray tsy omby vava ireo olona dimy tao anatin’ilay fiara. Tsy voafehin’ny mpamily intsony mantsy ny familiana ka nivoaka ny lalana ary niafara tany an-kady, rehefa avy nivadibadika. Vokany, maty tsy tra-drano ny mpamily an’ilay fiara, niaraka tamin’ilay olona nipetraka teo akaikiny, araka ny fampitam-baovaon’ny zandary. Naratra mafy kosa ireo mpandeha telo hafa taoriana. Raha ny fanazavàna azo hatrany dia voatery nosokirina tao anatin’ity fiara ity, izay potika tanteraka, mihitsy ny vatana mangatsiakan’ireo namoy ny ainy. Nentina novonjena haingana, niakatra aty an-drenivohitra kosa ireo naratra, ary efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy. Ankoatra izay, ny talata hariva lasa teo, dia olona iray ihany koa no namoy ny ainy tamin’iny lalam-pirenena fahafito iny. Tovolahy nitaingina bisikleta no nofaohin’ny kamiô. Mbola nisy aina anefa ny lehilahy taorian’ny nitrangan’ny loza, ary nentina novonjena tany amin’ny toeram-pitsaboana. Tsy tana intsony kosa ny ainy noho ny ratra mafy nahazo azy. Fa resaka lozam-pifamoivoizana hatrany, mpitondra sarety roa, lehilahy iray sy vaviantitra iray, no naratra mafy ary voatery nampidirina hôpitaly tetsy amin’ny Hjra, omaly maraina. Araka ny fantatra dia nodomina kamiô avy tao aoriana izy ireo teny amin’iny lalan’ny Fasan’ny karàna iny. Tsy nijanona akory moa ity fiarabe ity, fa vao mainka nanohy ny lalàny hatrany. Eny fa dia hitany izao aza ny fahavoazana nateraky ny nataony, hoy ireo nanatri-maso.
m.L