4 mianaka, izay raim-pianakaviana iray niaraka tamin’ny zanany 3 lahy, saika mba hitsangantsangana indray no saika niharan’ny fitsaram-bahoaka. Ny alahady lasa teo, tokony ho tamin’ny 6 ora hariva, tao amin’ny fokontany Antanetilava, ao amin’ny distrikan’Arivonimamo II moa no nitrangan’izany. Rehefa nivoaka ny fiara 4×4 mena nitondra azy ireo, ireto fianakaviana ireto, dia tazan’ny fokonolona nivezivezy nandritra ny fotoana ela teo amorona renirano ao amin’io fokontany io. Saingy ny nanaitra ny manodidina dia ny nahita ny iray tamin’izy ireo nitana basy lava. Nisahotaka ny mponin’Antanetilava ka avy hatrany dia nampiantso ny zandary tao Arivonimamo I mba handray an-tànana ny raharaha. Soa fa tonga ara-potoana tokoa ireto farany ka voasoroka araka ny nandrasana ny mety ho fitsaram-bahoaka saika ho nitranga. Raha ny fiheveran’ny manodidina tokoa mantsy dia olon-dratsy ireto farany. Tsy nisalasala tokoa ny teo anivon’ny zandary fa avy hatrany dia nisambotra ireto olona ireto mba hahalalana ny tena marina. Saingy noho ny tahotra ny fitsaran’ny vahoaka izay tena tezitra tokoa, dia tafatsoaka ny 2 tamin’izy ireo. Rehefa natao moa ny fisavana ireo 2 hafa tratra niaraka tamin’ny fiaran’izy ireo, dia tratra ny basim-borona iray niaraka tamina bala vitsivitsy. Taorian’ny fanadihadian’ny zandary an’ilay raim-pianakaviana mananika ny 60 taona tratra no nahafantarana, fa fianakaviana saika mba hitsangantsangana sy hihaza fotsiny ihany ireto noheverina ho olon-dratsy. Ny lay (tantes) saika hatorian’izy ireo aza efa voapetraka daholo. Mikasika ny fitazonana an’ilay basim-borona kosa dia efa misokatra ny fanadihadiana. Any amin’ny zandary ny tohin’ny raharaha.
Niony H.