Manao andiany am-polony ihany koa ireo jiolahy amin’izao rehefa manao ny asa ratsiny. Tokantrano iray tao Ambohidrasola ao amin’ny fokontany Antanetilava, any amin’iny distrikan’ Arivonimamo no lasibatry ny jiolahy ny faran’ny herinandro lasa teo. Mirongo fitaovam-piadian isan-karazany ireto olon-dratsy tamin’io fotoana : basy lava sy poleta ary zava-maranitra maromaro. Tokony ho tamin’ny 10 ora alina teo ho eo no nanafika ity tokantrano ity izy ireo rehefa avy nihanika ny tamboho. Mbola tsy natory ny tompon-trano tamin’izay fotoana. Sendra ny tampoka ary tratry ny be noho ny vitsy ka tsy afaka nanao n’inona n’inona nanoloana ireto olon-dratsy. Avy hatrany dia ny vola no notakian’ireto mpanafika. Ary somary mahagaga dia toa fantatr’izy ireo fa nisy vola tany amin’ity olona notafihan’izy ireo : manodidina ny 20 tapitrisa ariary teo ho eo izay notakian’ireto jiolahy niampy fandrahonana. Nilaza ho tsy manana an’izay anefa ilay tompon-trano, saingy tsy nanaiky ireto olon-dratsy raha tsy nisava tanteraka ny tao an-trano. Vola manodidina ny roa hetsy sy iray tapitrisa ariary teo ho eo no hitan’izy ireo, niampy finday roa sy firavaka volamena ary entana sarobidy isan-karazany. Vao azon’ireto olon-dratsy izany, dia nanao tari-dositra izy rehetra. Vao lasa moa ireto farany dia nampandre haingana ny zandary any an-toerana ilay voatafika, izay marihana fa tsy naninona tamin’io fotoana io. Efa eny am-pelan-tanan’ny mpitandro filaminana araka izany ny raharaha ary efa mandeha ny fikarohana ireto andian-jiolahy ireto.
m.L