Tato ho ato izay dia nanjaka tokoa ny asan-jiolahy tao andrefan’ny renivohitra tao. Ny alatsinainy lasa dia tokantrano telo no indray lasibatry ny jiolahy mirongo kalaky, tao Arivonimamo. Tsy nahavanona ny asa ratsiny anefa ireto olon-dratsy, eny fa na dia teo aza ny firefodrefotry ny basy nentin’ireto totakely nampiatahorana ireo mponina. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny mpitandro filaminana mantsy dia namaly bontana tamin’izay fitaovana tao an-tranony ny iray tamin’iray tamin’ireo voatafika. Voatomboky ny angady ny iray tamin’ireo olon-dratsy raha iny izy ireo handeha hiditra amboletra tao amin’ilay tokantrano. Tokony ho tamin’ny valo ora alina tany ho any no nisehoan’ity trangam-panafihana ity, raha ny fanazavana azo hatrany. Dimy lahy teo izy ireo no nanafika ity tanàna antsoina hoe Manjato Tsarazaza ity. Nirefodrefotra ny kalaky, nirangaranga ny zava-maranitra, talohan’izy ireto niditra ny tanàna. Mazava ho azy fa tsy nisy sahy nivoaka ireo mponina. Lasibatra ny tokantrano voalohany, … ny faharoa. Nitentina teo amin’ny valo hetsy ariary no lasa tamin’izany, niampy an’ireo firavaka sy fitaovana madinidinika. Tao amin’ny trano fahatelo izy ireo no mba sendra ny tsy nampoiziny ihany koa. Efa niandry azy ireo tamin’ny angady mantsy ny tompon-trano. Nandraingiraingy izay tafiditra voalohany. Voa teo amin’ny tongony ary saika tapaka mihitsy. Nahita izany iretsy namany ka tsy sahy niditra intsony fa avy hatrany dia nanao tongotra an-katoka niverin-dalana, nitaritarika ity naratra mafy. Taorian’izay no tonga ireo mpitandro filaminana ary velona indray ny fifanenjahana. Taraiky noho izany ity naratra ka noraisim-potsiny. Tafaporitsaka kosa iretsy sisa ambiny.
Tsy an-drenivohitra tsy ambanivohitra tokoa fa dia mahazo vahana ny asan-jiolahy. Amin’izao fotoana izao tokoa lasa toa tsy miandry Fanjakana intsony ny vahoaka fa manao izay ho afany amin’ny fiarovany ny tenany sy ny fanafaizana ireo olon-dratsy azony. Hiandry izay “paoly” tsy ho avy kosa ary ve … na tonga aza toa taraiky foana.
m.L