Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tamin’iny lalam-pirenena voalohany iny ny alin’ny alakamisy teo. Fiarabe iray, nitondra vary akory nahatratra teo amin’ny fito taonina teo no nifatratra tamina fiarabe iray nifanena taminy, avy eo nisolifatra ary nandona fiara « Starex » iray hafa ihany koa. Mafy dia mafy ny fifandonana. Olona efatra tao anatin’ireto fiarabe roa ireto no fantatra fa naratra avokoa ary nisy ireo tena voa mafy, araka ny fampitam-baovao azo avy any an-toerana. Teo Andrangaranga Arivonimamo no nitrangan’izany tokony ho tamin’ny valo ora alina tany ho any raha ny vaovao hatrany. Handeha hitodi-doha hiakatra aty an-drenivohitra moa ity kamiao nitondra vary ity ary iretsy fiara roa kosa samy handeha hiankandrefana, hihazo an’i Miarinarivo iny. Marihana fa samy mpamilin’ireto fiara nifandona, ankoatr’ilay fiara « Starex », niaraka tamin’ireo mpanampy azy avokoa ireto voa mafy ireto raha ny loharanom-baovao hatrany. Rehefa avy novonjena sy nomena fitsaboana haingana tao amin’ny hôpitaly Arivonimamo ireo naratra dia nisy ireo voatery nampiakarina haingana taty an-drenivohitra ary navantana tetsy amin’ny hôpitaly Hjra. Tsy dia nisy naninona kosa ireo olona tao anatin’ilay fiara fahatelo voadona, ankoatry ny vatan’ny fiara izay simba noho ilay fifampikasohana. Hatreto aloha, raha ny vaovao azo dia tsy fantatra mazava izay antony nahatonga ny loza. Azo heverina avy hatrany anefa, raha ny hamafin’ny fifandonana dia mety ho vokatry ny fandehanana mafy etsy andaniny ary mety ho olana ara-teknika teo amin’ny fiara koa etsy ankilany ary mety ho mbola hisy harerahan’ny mpamily manampy trotrak’izany. Ny pôlisy avy ao amin’ny kaomisarian’Arivonimamo no mandray an-tanana ny raharaha ary inoana fa hofantatra ao anatin’izany ny nahatonga ity loza ity.
m.L