- Publicité -
mardi, mars 3, 2026
AccueilFaits-DiversArivonimamo : Kianja vaovao ho an’ireo zaza kambotin’ny zandarimarim-pirenena

Arivonimamo : Kianja vaovao ho an’ireo zaza kambotin’ny zandarimarim-pirenena

Ireo olo-manankaja maro sivily sy miaramila, nanapaka ny fehezana. (sary: Yvon Ram)

Nahazo kianja marolafy vaovao, fanaovana fanantanjahantena ireo zaza kamboty navelan’ireo maherin’fo ny zandary, maty am-perinasa  beazina ao amin’ny ivon-toerana ao Arivonimamo. Ny fikambanana Rotary Club Tsimbaroa Antananarivo no angady nananana ary tonga nanolotra izany teny an-toerana, ny sabotsy lasa teo, ny Jly Rasolofo Lumène, filohan’ity fikambanana ity. « Zava-dehibe hoan’ireo ankizy taizana ny kianja toy izao, ho fitaizana ara-batana sy ara-tsaina azy ireo mba ho zaza salama sy tomady izy ireo. Nanao antsoavo ihany koa anefa izy ho an’ireo mpanao asa soa mba hanampy hatrany ity ivon-toerana ity satria maty hoan’ny firenena ireo rain’izy ireo noho ny fitiavan-tanindrazana » hoy ny Lefitra faharoan’ny Fibaikoana ny zandary, ny Jly Manjakavelo Leonard, izay nisolo tena ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria sy ny Kômandin’ny zandarimaria, nandray ireto tolotra ireto. Lanonana izay notronin’ireo olom-panjakana sivily sy miaramila tany an-toerana sy taty  Andrenivohitra, notarihin’ny Ministry ny Filaminana anatiny. Namaranana ny lanonana, ny fametrahana ny vatofototra hanorenana trano fatoriana sy birao vaovao ho an’ity ivon-toerana ity, izay natolotry ny « Direction générale de la sécurité routière ».

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici