- Publicité -
lundi, octobre 13, 2025
AccueilFaits-DiversArivonimamo : Lasa ny omby, nodoran’ny dahalo ny tanàna

Arivonimamo : Lasa ny omby, nodoran’ny dahalo ny tanàna

Tsy mifaditrovana ! Tsy vitan’ny hoe nalaina avokoa ny omby fa mbola nodoran’ireo tsy mataho-tody ihany koa ny trano maromaro tao amin’ity tanàna iray tany amin’iny distrikan’Arivonimamo iny.

Ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy teo no nitranga ity halatr’omby nahery vaika, narahana doro trano ity, tao amin’ny fokontany iray antsoina hoe Antsolabato, kaominina Amboanana, distrika Arivonimamo. Andian-dahalo maromaro no tonga nanafika tao amin’io tanàna io, tokony ho tamin’ny folo ora alina teo ho eo, raha mbola revo tao anatin’ny torimaso avokoa ireo fokonolona. Lasan’ireo olon-dratsy ny omby teo an-tanàna tamin’io fotoana io, ary nentin’izy ireo hanakanana ny fanarahan-dia nataon’ireo fokonolona dia notselaran’izy ireo ny afo ny trano maromaro teo an-tanàna, ary tao anatin’izany ny tranon’ny « quartier mobile » iray. Nifanjevo tamin’ny famonoana ny afo ny fokonolona taorian’izay, kanefa na dia izany aza, nisy dimy tamin’ireo trano no may kila forehitra, tsy nisy azo noraisina intsony, niaraka tamin’ireo entana sy fitaovana tao an-tokantrano. Môtô sy sarety iray ihany koa no levon’ny afo tamin’io fotoana io.

Nampandrenesina teo no eo ihany ny zandary, izay avy hatrany dia nanantanteraka ny fanarahan-dia, izay nifarimbonan’ny zandary avy ao amin’ny PA Ampahimanga, nampian’ny avy eny Arivonimamo. Tamin’iny fotoana io ihany dia nisy ireo omby tafaverina saingy mbola nisy fito, tsy hita, raha ny angom-baovao azo. Efa nahetsika sy nampandrenesina avokoa moa ireo tobim-paritry ny zandary manodidina hiandry ny kizo sy ireo lalana mety handalovan’ireo malaso ireto. Ireto farany izay fantatra fa nihazo ny toerana antsoina hoe An’alabe, ao amin’ny kaominina Sabotsy Namatoana, any amin’iny distrikan’Ambatolampy. Mbola mitohy ny fanarahan-dia, raha ny fampitam-baovao hatrany. Marihana fa tsy nisy ny aina nafoy na ny naratra tamin’io fotoana nisian’ny fanafihana io, na izany aza, fianakaviana maromaro no tsy manan-kialofana sy very fananana tao anatin’ny indray mipi-maso monja.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici