- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversArivonimamo : Lehilahy mively amin’ny zaranangady, roa no maty

Arivonimamo : Lehilahy mively amin’ny zaranangady, roa no maty

Tsy fantatra izay zavatra nanjo an’ity lehilahy iray tany amin’ny fokontany Antongona, kaominina Morarano, any Arivonimamo, fa izay olona rehetra nifanena taminy dia novelesiny avokoa. Tamin’ny alakamsiy teo no niseho izany tamin’ny 5 ora hariva. Vokany, olona roa, mpianaka no fantatra fa namoy ny ainy ary dimy hafa naratra. Tsy vitan’izany, hoy hatrany ny vaovao, fa nisy ihany koa maty vokatry ny vely nataon’ity olona ity. Hatramin’izao, tsy fantatra izay antony nahatonga azy io hamono olona sahala amin’izao. Efa nampandrenesina ny mpitandro filaminana tonga nisambotra azy. Somary sarotsarotra ihany anefa izany satria tsy nanaiky mora any anao lahy. Farany moa, nanaiky hanaraka ireo mpitandro filaminana ihany izy. Mandeha ny fanadihadiana amin’izoa fotoana izao.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser