Tsy nisy noraisina ny trano iray, natokana handrian’ireo zazavavy ao amin’ny akany fitaizana zaza kambotin’ny zandarimariam-pirenena tao Arivonimamo ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy teo. Tsy nisy ny aina nafoy na ny naratra, araka ny tatitra azo avy amin’ireo zandary saingy kosa tsy nisy noraisina intsony ny entana rehetra tao an-toerana, eny fa na hatramin’ireo fitaovam-pianaran’ireo ankizy tao aza. Hatreto dia tsy fantatra mazava izay tena antony nahatonga ny loza. Na izany aza anefa dia fantatra fa tsy doro trano niniana natao akory izany, araka ny fanadihadiana nataon’ny teo anivon’ny sampana fikarohana heloka bevava eo anivon’ny zandary tonga teny an-toerana. Raha ny zava-nisy tokoa mantsy dia « zaza iray nahita ny afo efa manomboka mitatra no nivoaka niantso ny tompon’andraikitra mpiandry raharaha », tokony ho tamin’ny folo ora sy sasany alina teo. Nikoropaka avokoa ireto tao an-toerana ary ny namonjy ireo ankizy natory tao no vaindohan-draharahan’ireo tompon’andraikitra. Voavonjy avokoa araka izany ireo ankizy kamboty saingy io lasa lavenona io ny trano.
Teo anatrehan’ny zava-nisy dia tsy nipetra-potsiny ireo tompon’andraikitra ambony teo anivon’ny zandary fa tonga nidodododo nitondra ny voatsirambin’ny tanana, voin-kava-mahatratra ho an’ireto ankizy, izay efa kamboty tsy fidiny noho ny herim-po nanan’ireo ray aman-dreniny, ho an’ny Tanindrazany sy ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany ary izao zary lasa tra-boina izao indray noho ny loza nihatra tamin’izy ireo. Tonga teny an-toerana, araka izany, ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandary eo anivon’ny Ministeran’ny fiarovam-pirenena niaraka tamin’ny Kaomandin’ny zandary, nitondra fanampiana ara-bola sy ara-pitaovana ho an’ireto ankizy ireto. Narahan’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy sy ny Fikambanan’ny vadin’ny zandary sy ny zandary vavy (Fivaza). « Nankahery sy niarahaba ireo zaza kamboty tsy maty fo aman’aina ireo tompon’andraikitra rehetra voatanisa ireo sy ny FIVAZA, ary niantso ihany koa ny zandary rehetra mba hanao voin-kava-mahatratra noho izao loza niseho tamin’ny zaza iaraha-manana izao », hoy ny tati-baovao.
m.L