Efa fanao mahazatra ho an’ireo mpitandro ny filaminana ny mametraka barazy eny amin’ny làlam-pirenena mba hitsinjovana ny fandriam-pahaleman’ny mpandeha “taxi-brousse” sy ny mpampiasa ny làlana. Ny alahady hariva lasa teo, tokony ho tamin’ny 3 ora tolakandro, dia niroso tamin’ny fisavana ny “taxi-brousse” iray izay nandalo teo amin’ny barazin’i Bemasoandro ny zandary ao amin’ny Kaompania Arivonimamo. Nandritra izany fisavana izany dia nahatsikaritra mpandeha 10 izay nampiahiahy izy ireo. Tsy nihanona tamin’ny fanaraha-maso ivelany fotsiny arak’izany ireo zandary fa avy hatrany dia niroso tamin’ny fisavana ny entana nentin’ireto olona ireto mihitsy. Vokany: tratra tamin’izany ny “etuis” ana basy kalibra 12 miisa fito miampy famaky efatra sy lefona iray ary vola mitentina 8.737.100 Ariary. Tsy fantatra mazava ny antony mahatonga an’ireto olona ireto mitondra fitaovam-piadiana sy vola be mandehandeha toy izao. Marihina fa “taxi-brousse” mampitohy an’i Tsiroanomandidy amin’ny renivohitra no fiara nitondra ireto mpandeha 10 nampiahiahy ny zandary ireto. Efa nandray an-tànana ny raharaha ny eo anivon’ny Kaompania Arivonimamo izay misahana manontolo ny fanaovana ny famotorana azy 10.
Niony H.