- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversArivonimamo : Mpangalatr’omby matin’ny fitsaram-bahoaka

Arivonimamo : Mpangalatr’omby matin’ny fitsaram-bahoaka

Zazalahy iray, saika hangalatra omby no namoy ny ainy rehefa avy niharan’ny hatezeram-bahoaka tany amin’iny distrikan’Arivonimamo iny, ny zoma lasa teo. Ny alin’io no tonga tao amin’ny borigady Imerintsiatosika ny fokonolona avy any Andranovilany, Imerintsiatosika fa nahatratra olona saika hangalatr’omby : zazalahy iray. Efa malemilemy tanteraka ary efa naratra be ity olona ity no tonga tao amin’izy ireo. Tsy nitazona izany ela ireto mpitandro filaminana fa avy hatrany dia nentina notsaboina tany amin’ny tobim-pahasalamana izy. Noho izay ratra mafy efa nahazo izay anefa dia vao tonga teny amin’ny hôpitaly dia maty ilay ranamana. Asa raha hoe, teo am-pangalarana omby izy no nifanenjahan’ny fokonolona. Ary efa nanalan’izy ireo ny hatezerany ity mpangalatr’omby vao io nentin’izy ireo tany amin’ny zandary io. Azo heverina araka ny ratra nahazo azy fa nampijalijaliana tokoa ity olona ity. Ny fizahana nataon’ireo mpitsabo mantsy no nahafantarana fa nahitàna ratra teo amin’ny lohany. Ary ambonin’izay dia mbola nisy diam-pantsika dimy teo amin’ny tongony. Ireo antony ireo no azo eritreretina ho nahatonga ny fahafatesany. Taorian’ity tranga ity moa dia nalefa avy hatrany tamin’ity faritra voalaza fa nangalarany omby ity ireo mpitandro filaminana, nanao ny famotorana, ary miara-miasa amin’izany ny zandary sy ny pôlisy. Toa lasa « lamaodin »’ity taona vaovao ity tokoa ny fitsaram-bahoaka. Ary saika tsy misy mivoaka velona avokoa ireo izay tratra. Efa maro ireo tompon’andraikitra isan-karazany manameloka ity karazana vono olona fanahy iniana ity, saingy hatreto dia mijanona eo amin’izay sehatra « manameloka » izay fotsiny fa toa tsy misy mihitsy vahaolana aroso, hialàna amin’izay fitsaram-bahoaka. Hiarahan’ny rehetra mahalala anefa etsy andanin’izay ny antony mahatonga ireo fokonolona hiroso amin’izany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici