- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversArivonimamo : Nosamborina dia navotsotra i Jork

Arivonimamo : Nosamborina dia navotsotra i Jork

Nandritry ny fisamborana azy.

Isan’ny mpitarika ny hetsiky ny 11 kandidà any Arivonimamo sy ny manodidina i Jork. Ary tena mafana fo sy mahatarika olona betsaka izy. Tao amin’ny toerana izay niandraiketany aza no isan’ny be olona indrindra hatramin’izay nisian’ity hetsika ity. Omaly, raha nidina an-dalambe izy sy ny olona marobe ka nandalo barazin’ny mpitandro ny filaminana no nisehoan’ny fifamaliana toa ny mahazatra. Niezaka nanazava sy nandresy lahatra i Jork ny mba hanomezana fahalalahana azy ireo hanohy ny hetsika. Tampoka teo anefa dia fisamborana nataon’ny zandary avy hatrany ny setrin’izany. Nihorakoraka sy tezitra ny mpanara-dia azy raha nahita ny zava-nitranga. Nentiny avy hatrany ary nampidirina tao anaty fiaran’ny mpitandro ny filaminana izy. Vetivety dia niparitaka ny sary sy sarimihetsika mahakasika ity tranga ity ary nitodika haingana tany Arivonimamo ny mason’ny mpanara-baovao. Nitaky ny olona marobe ny hamoahana azy ary nirarakopana izany teo amin’ny tambajotra sosialy sy ny haino aman-jery mandala ny tolona. Toa nisy vokany izany satria omaly ihany dia navotsotra i Jork ary afaka nody tany amin’ny fianakaviany. Noraisin’ny mpomba azy ho fandresena lehibe izany zava-nitranga izany ary nanamafy izy ireo fa hanohy hatrany ny tolona. Raha tsiahivina dia mpilalao sarimihetsika izay tena fanta-daza i Jork. Tsy nampoizin’ny maro ny fijoroany tamin’ity hetsika politika ity ary tena lasa mpitari-tolona izay nahazaka olona maro.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici