Efa tsy mifaditrovana tanteraka ! Lehilahy iray 46 taona no voatery nosamborin’ny pôlisy avy ao amin’ny kaomisarian’Arivonimamo, noho ny resaka herisetra ara-nofo nampihariny tamin’ny zazavavy iray 14 taona izay, tsy iza fa zanany ihany. Araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny polisy dia omaly ity raim-pianakaviana, efa tsy mendrika ny antsoina hoe ray ity intsony no tra-tehaka, rehefa nanaovana velam-pandrika. Voalaza mantsy fa taorian’ny nanaovany ny asa ratsiny tamin’ity zanany vavy dia nanjavona tsy hita intsony ingahirainy. Taorian’ity zava-nitranga mahatsiravina ity tokoa mantsy dia ny renin’ilay zaza no nahatsikaritra ny zava-niseho, ary avy hatrany dia nametraka fitoriana teny anivon’ny pôlisy tao Arivonimamo, nitory an-drangahy vadiny. Amin’ny tranga toa izao dia nisy avy hatrany ny fandraisana an-tanana nataon’ireto mpitandro filaminana ireto, na ho an’ilay niharam-boina, izay efa nezahina nentina teny anivon’ny toeram-pitsaboana moa, na fanokafana ny fanadihadiana haingana, hikarohana izay nahavanon-doza. Niezaka nandositra hatrany ilay raim-pianakaviana, hoy ny vaovao, saingy noho ny fahaiza-manaon’ireo mpanao famotorana dia voasambotra tao an-toerana ihany nony farany. Nentina tany amin’ny biraon’ny pôlisy avy hatrany moa ity lehilahy nahavita nanolana ny zanany ity ary notazomina natao andrimaso, alohan’ny hanolorana azy eny anivon’ny Fampanoavana. Marihana, raha ny vaovao azo hatrany fa potika sy rovitra tanteraka ary naratra mihitsy moa ny taovam-pananahan’ilay zazavavy kely.
m.L