- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversArivonimamo : Raim-pianakaviana rotiky ny balan’ny jiolahy

Arivonimamo : Raim-pianakaviana rotiky ny balan’ny jiolahy

Ambonin’ny lozam-pifamoivoizana mateti-pitranga eny amin’ireny lalam-pirenena ireny, manjaka ihany koa ny asan-jiolahy sy dahalo, manafika sy mamono olona. Ny alarobia hariva lasa teo dia raim-pianakaviana indray no naratra mafy, rotiky ny balan’ireo jiolahy, tao Soafohy, ao amin’ny kaominina Soamahamanina, any amin’ny distrikan’Arivonimamo. Araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny zandary avy an-toerana dia jiolahy enin-dahy teo, nirongo basy kalach telo, no nanafika tokantrano iray tao an-toerana. Vao tafiditra ireto olon-dratsy, tsy nisy resaka fa avy hatrany dia ity basy mahery vaika ity no niresaka. Rotiky ny bala tamin’izany ny kibon’ilay raim-pianakaviana tompon-trano. Nanao izay danin’ny kibony avy eo ireto jiolahy rehefa voafehin’izy ireo izay mety ho nanelingelina azy tamin’ny asa ratsiny. Vola teo amin’ny dimy alina ariary teo no lasan’izy ireo, niampy finday sy firavaka volamena maromaro. Vao naheno ny feom-basy ny mpiray tanàna dia tsy nisy sahy nivoaka. Efa lasa ireto jiolahy ireto vao afaka niantso mpitandro filaminana ireo mponina. Tamin’izay ihany koa vao afaka namonjy ny naratra ireto tao an-trano. Nentina avy hatrany tany amin’ny hôpitaly tao Miarinarivo moa ity raim-pianakaviana ity. Tamin’ny fidinan’ireo mpitandro filaminana teny an-toerana kosa, tsy nisy afa-tsy taim-balana kalach sisa no hitan’izy ireo. Efa mandeha amin’izao fotoana izao ny fikarohana ireo olon-dratsy ka ireo zandary avy ao amin’ny borigadin’i Miarinarivo no misahana ny raharaha.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici