Ravan’ny zandary avy ao Arivonimamo ny andian-jiolahy mpampihorohoro ny distrikan’Arivonimamo iny. Tsy vitan’ny mandroba fotsiny izy ireo, fa mpanamboatra basy sy bala ihany koa. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa tamin’ny famotorana natao no nahalalana fa misy miaramila iray mipetraka aty andrenivohitra miray tsikombakomba amin’ireto olon-dratsy ireto.
Ny zoma 30 may 2014 tokony ho tamin’ny 06 ora maraina dia nahazo antso ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritry ny zandarimaria Arivonimamo fa nisy jiolahy 16 mitondra kalachnikov sy basim-borona nanafika tao Ambohijanamasoandro, fokontany ao ihany, kaominina Ambohitrambo, distrikan’Arivonimamo ny alin’ny alakamisy hifoha zoma. Lasan’ireo olon-dratsy tamin’izany ny vola valo alina sy iray tapitrisa Ariary (1.800.000Ar) sy basim-borona iray an’ny tompon-trano, ary ny finday rehetra tao an-trano.
Nidina tany an-toerana avy hatrany ireo zandary nijery ifotony ny zavanisy. Mbola hita teo an-toerana ny balana “kalachnikov” efa nipoaka 3, balana “pistolet automatique” mbola tsy nipoaka iray, ary balana basim-borona efa nipoaka iray.
Nanao fikarohana avy hatrany ny zandary ka nahitana vokany izany. Tratra tany amin’ny hopitaly Mahitsy ny alatsinainy teo ny iray tamin’ireo jiolahy mpanafika ary mbola tratra teny aminy ny basim-borona iray. Saika hampiteraka ny vadiny izy no izao saron’ny mpitandro filaminana izao. Rehefa natao ny fisavana ny tranony dia mbola nahitana balana basim-borona efa nipoaka 103, pistolet automatique iray, “canon” 10, vovoka fanamboarana bala, fitaovana fanamboarana basy gasy maromaro, lefona efatra ary fanafody gasy.
Ny famotorana hatrany no nahalalana ny fisian’ilay miaramila mpiara-miasa amin-dry zalahy. Naleha tany an-tranony izy io, nefa tsy hita tao. Ny vadiny izay miara-manao asa ratsy aminy ihany no tratra tao. Nandritra ny fisavana ihany koa no nahitana fitaovana fanamboarana basy gasy maromaro.
Misy tsy mbola voasambotra ireo jiolahy ary mitohy ny fikarohana azy ireo. Anio zoma no hatolotra ny fampanoavana ireo tratra.
nangonin’i r.s.