- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversArivonimamo : Trano roa norobain’ny jiolahy miisa folo, lasa ny vola rehetra

Arivonimamo : Trano roa norobain’ny jiolahy miisa folo, lasa ny vola rehetra

Trano roa indray no fantatra fa notafihan’ny jiolahy hatrany amin’ny folo, ary nitondra basim-borona, antsy lava ary famaky, tany amin’ny tanàna antsoina heo Tsarahonenana, any Arivonimamo. Ny alahady lasa teo hifoha ny alatsinainy no niseho ity fanafihana ity. Teo anatrehan’ireo fitaovam-piadina sy ny isan’ireo mpandroba dia tsy nisy afaka nihetsika ny tao amin’ireo trano. Lasan’ireo mpangalatra ny vola mitentina hatrany amin’ny 3 tapitrisa ariary. Tsy nionona tamin’izany anefa ry zalahy fa olona telo no naratra niharan’ny daroka samihafa. Rehefa azon’ireo olon-dratsy izay notadiaviny dia lasa nandositra izy ireo. Nampilazana ny mpitandro filaminana ka raikitra ny fikarohana an’ireo jiolahy. Niara-nisalahy tamin’izany ny zandary sy ny fokonolona. Nampiasa alika mpitsongo dia avy eny Ivato ny mpitandro filaminana. Tsy niandry ela fa olona miisa valo no indray tratra ary nosamborina avy hatrany. Ny loharanom-baovao ihany koa no nahalalana fa misy namany roa mbola tadiavina. Any amin’izy ireo ny basy nentina nandroba.

Mitohy hatrany ny fampahafantarana ny vahoaka amin’ny tokony hiantsoan’izy ireo ny laharana 119 sy ny 305 raha sendra ny zavatra mampiahiahy sy trangana fanafihana ary tsy hampiasa izany ho fihanihaniana, satria ny fiantohana ny ain’olona sy ny fananany no antony ampiasana ireo laharana roa ireo.

Omaly no natolotra ny fampanoavana izy valo lahy ireo.

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser