- Publicité SW45 -
samedi, décembre 21, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversArivonimamo : Vaviantitra naolana sy novonoina, olona fito nadoboka am-ponja

Arivonimamo : Vaviantitra naolana sy novonoina, olona fito nadoboka am-ponja

Tsy nisy tsy nivarahontsana sy nihoron-koditra ireo nahita ity tranga niseho tao Ambohitrambo, distrikan’Arivonimamo ity. Vehivavy lehibe iray, tokony ho 66 taona no namoy ny ainy, vokatry ny fanolanana sy tsatoka antsy nihatra taminy nataon’ireo olon-dratsy ny herinandro lasa teo, rehefa nanafika ny tokantrano nisy azy ny olon-dratsy maromaro. Hatreto dia olona fito no voarohirohy sy efa nosamborina ary nadoboka am-ponja vonjimaika. Anisan’izany ny tovolahy iray mpiandry ny ombiny.

Ny alatsinainy 23 septambra teo no nitranga ity fanafihana, niharo vono olona sy fanolanana ity. Nandray andraikitra avy hatrany ny zandary taorian’izay ary nanao ny famotorana. Andro vitsy monja taty aoriana, niantefan’ny ahiahy ilay tovolahy tao aminy, izay marihina fa hitan’ireo zandary nifatotra teo am-pandriana, taorin’ilay fanafihana. Nampiahihy tanteraka ny zava-nisy satria tsy nisy vola very na entana tamin’io fotoana io. Toy ny hoe tonga hamono sy hampijaly ilay ramatoa fotsiny no nokendren’ireo mpanafika.

Natao avy hatrany araka izany ny fanadihadiana lalina manodidina ity tovolahy ity ka fantatra tamin’izay fa isan’ireo mpiray tendro tamin’ireo mpamono ity farany. Izy ihany, hoy ny vaovao, no nampiditra ireo olon-dratsy tao an-trano, nanoratra ny taratrasy fampitandremana sy fampihorohoroana navantana tao an-trano.

Nosamborina avy hatrany ity farany ary nanoro ireo namany, nahafahana nisambotra ireo enin-dahy niray tsikombakomba tamin’ity vono olona ity. Ny alatsinainy teo no natolotra ny Fampanoavana izy fitolahy ary nadoboka am-ponja vonjimaika.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici