- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversArivonimamo : Voasambotra ny jiolahy 10 mpamaky trano nampihorohoro ny mponina

Arivonimamo : Voasambotra ny jiolahy 10 mpamaky trano nampihorohoro ny mponina

Ravan’ny Zandarimaria avy ao amin’ny kaompania Arivonimamo, ny andian-jiolahy mpamaky trano sy mpanakan-dalana nampihorohoro tao amin’ity tanàna ity. Nanomboka ny tapaky ny volana jolay, dia nanao « opération » ny Zandarimaria ao amin’ny Kaompania Arivonimamo ka nandritra izany, dia nisy vokatra izay nahatrarana ireto folo lahy izay mipetraka ao amin’ny distrikan’Arivonimamo ihany, izany hoe Alakamisikely, Andohariana, Safidahy ary Amboanana.

Fitaovana toy ny antsy lava sy famaky ary “barre à pince” no entin’izy ireto manatanteraka ny asa ratsy izay ataon-dry zareo. Ny sasany manohana varavarana, ny sasany mitoraka ary misy avy hatrany ny mitsofoka ao an-trano.

Olona iray amin’izy ireto no voasambotra ary rehefa natao ny famotorana, dia nanondro ireto namany hafa izy ary mbola karohina amin’izao fotoana izao. Nandritra ny fanafihana nataon-dry zareo ireto, dia olona roa no naratra ary mbola tsaboina aty amin’ny hopitaly Antananarivo. Ny fanadihadiana natao azy ireo no nahafantarana, fa mitentina Ar 9 400 000 ny fitambaran’ny vola azon’izy ireto tamin’ireo asa-ratsy efa vitany. Natolotra ny fampanoavana, ny 4 Aogositra teo izy folo lahy ireto. Manentana hatrany ny zandarimaria amin’ny fanomezam-baovao mba hahazoana vokatra toy izao.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici