- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversArivonimamo : Zaza roa maty nihotsahan’ny trano

Arivonimamo : Zaza roa maty nihotsahan’ny trano

Vokatry ny ora-nikija nateti-piseho tato ho ato izay niteraka hamandoana lava, dia trano ntaolo iray izay efa tena antitra sy nisy triatra no nirodana. Afak’omaly alina, tokony ho tamin’ny 10 ora, tao Ambaniavaratra (atsimo atsinanan’ny bassin), distrikan’ Arivonimamo. Ankizy roa izay samy mpianatry ny EPP any an-toerana no indray niara-maty tototry ny tany. Mpirahavavy izy ireo ary enin-taona taona sy valo taona, raha araka ny fanampim-baovao. Niara-natory tamin-dreniny sy ny anadahiny izy ireo no nihotsaka tampoka ny trano. Afa-doza izy mianaka kanefa kosa ireo zanany roa dia namoy ny ainy. Na izany aza dia naratra mafy ny velona fa mba avotra ihany ny ainy rehefa tongan’ny olona teny amin’ny toeram-pitsaboana. Taorian’ny fisokirana nataon’ny fokonolona dia naharitra ora iray mahery vao tafavoaka izy mianaka. Raha ny vaovao voaray, trano efa tena valaka tanteraka izay tsy nisy fanarenana sy fanamboarana an-taonany maro ity nirodana ity.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici