
“Ary mandraka ankehitriny dia nitory ny fahagaganao aho”, io tenin’ny Soratra Masina nalaina tao amin’ny Salamo faha 71, and 17b, io no teny faneva entina hankalazana an’Andriamanitra noho ny jobily faha 25 taona naha mpitandrina an’ Atoa Raharijaona Solofonirina. Ny fanompoam-pivavahana hanokafana izany taon-jobily izany dia ny alahady 02 martsa ho avy izao, manomboka amin’ny 9 ora maraina, ary hiantsoana ireo mpianakavin’ny finoana sy ny zanaka am-pielezana. Ny hariva kosa dia hisy antsam- panahy iombonana amin’ireo Sampana mihira eo amin’ny fitandremana, sy ny vahiny nasaina handray anjara amin’izany. Maro ny hetsika efa nomanina hotanterahana mandritra ity taona ity. Ny ivon’ny fankalazana kosa dia ny alahady 07 desambra ary ny fankalazana iarahana amin’ny Synodamparitany dia ny alakamisy 18 desambra.