- Publicité SW45 -
jeudi, décembre 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAsa any Canada : Etiopianina mpisoloky nidoboka eny Tsiafahy

Asa any Canada : Etiopianina mpisoloky nidoboka eny Tsiafahy

Fisolokiana iraisam-pirenena. Miresaka amin’ny mpiray tanindrazana aminy izy, izany hoe teratany etiopianina koa, ary mampanantena asa ho any Canada. Betsaka ny roboka ary hafarany manketo Madagasikara aloha, firenena izay ipetrahany ary nilazany fa hanaovana ny taratasy rehetra hahafahana miondrana any Canada. Dia tena tonga tokoa ny olona telo no sady efa nangalàna 45.000 dôlara, izany hoe manodidina ny 225 tapitrisa ariary. Nandeha anefa ny fotoana, nitsatoka teto Iarivo fotsiny ireo Etiopianina telo. Sady tsy nisy taratasy no tsy nisy akory ny asa nampanantenaina ho any Canada. Ny enti-manana efa tena nanify, satria efa lasan’ilay mpisoloky avoko. Saika « lò » teto ary ny niafarany dia nanapa-kevitry ny nanatona ny polisy ary nitantara ny nanjo azy ireo. Mazava ho azy fa nisy fanadihadiana nosokafana ary niafara tamin’ny fisamborana ilay teratany etiopianina mpisoloky. Nidoboka am-ponja vonjimaika noho ny fisolokiana sy fikasàna fanondranana olona. Miroborobo tanteraka ity asa fisolokiana momba ny fandefasana hiasa any Canada ity. Vao omaly koa no nisy Malagasy nidoboka am-ponja noho ny antony mitovy. Ny an’io farany dia ampiresahiny amin’ny Facebook ireo olona ary milaza izy fa manana orinasa matihanina momba ny fandefasana olona hiasa any ivelany, any Canada. Raha vao azony anefa ny vola dia manjavona izy ary tsy hita intsony hatreny amin’ny tambajotra sosialy. Maromaro no nametraka fitoriana ary olona avy any amin’ny faritra avokoa. Nasainy tonga teto Antananarivo ary efa tonga niaraka tamin’ny entan-kely kinanjo voasoloky tanteraka. Nanaovan’ny polisy vela-pandrika ary voasambotra ilay lehilahy ka nidoboka am-ponja mandra-piandry ny fotoam-pitsaràna azy. Voafitaka ny Malagasy, voafitaka koa ny Etiopianina. Tsy iza fa ny samy mpiray tanindrazana ihany no mifamitaka eto. Samy may ny hiala an-tanindrazana noho ny fahasahiranana ary dia roboka anaty haranjonon’ny olon-dratsy.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici