- Publicité SW45 -
jeudi, juillet 4, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAsa any Canada : Vehivavy roa mpisoloky voasambotry ny polisy tetsy 67ha

Asa any Canada : Vehivavy roa mpisoloky voasambotry ny polisy tetsy 67ha

Anisan’ny tokotany filalaovan’ireo olon-dratsy sy mpisoloky isan-karazany mihitsy ity resaka asa any am-pitandranomasina ity. Ho an’ity tranga ity, nampitain’ny teo anivon’ny pôlisim-pirenena, dia resaka fandefasana olona hiasa any Canada no nahavoarohirohy ireto vehivavy anankiroa voasambotr’izy ireo ireto. Teny amin’iny faritra 67ha iny, ny andron’ny talata lasa teo.

Fisolokiana avo lenta, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Vola efa manodidina ny enina tapitrisa ariary mahery tany ho any no efa lasan’izy ireo tamin’ireo efa lasibatra. Vehivavy efatra aloha no tena voa mafy, izay samy nahazoan’izy ireo vola mitentina  efatra hetsy sy iray tapitrisa ariary avy, ankoatra izay efa trondro matavy, voasolokin’izy ireo. Ireto farany mantsy, rehefa nahatsapa fa voarirarira, dia nanapa-kevitry ny hitory teny polisy amin’ny sampana miady amin’ny cybercriminalité tetsy Anosy. Nandray ny andraikiny avy hatrany ireto farany ary nanao ny fanadihadiana rehetra mahakasika ity raharaha ity.

Tsy ela dia niroso ny famotorana ary niafara tamin’ny fisamborana vehivavy anankiroa tetsy 67ha. Araka ny famotorana nataon’izy ireo dia niezaka nandresy lahatra ireto olona natao lasibatra izy ireo fa mahavita mandefa olona hiasa any ivelany io. Rehefa mahazo vola izy ireo dia handefasany taratasy fampiantsoana na « convocation » hosoka ireo lasibatra ary dia roboka. Rehefa nandeha teny anefa ny fotoana dia fantatra fa taratasy hosoka ity azon’izy ireo ity, ary nahatonga ny fitoriana. Niaiky ny heloka vitan’izy ireo moa ireto vehivavy 38 sy 49 toana ireto nandritra ny fakàna am-bavany azy ireo, ary nilaza fa efa maro no efa voan’izy ireo. Mbola mitohy moa ny fanadihadiana ataon’ny eo anivon’ny pôlisy.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici