Fisandohana sy fampanantenana ny olona hiasa any Maorisy, izay niandoha teto Antananarivo ary nitatra hatrany amin’ny faritra, no iampangana ity ramatoa antsoian hoe Emma. Mahavita manao dokam-barotra amin’ny radio sy talaviziona mihitsy izy ireto. Olona 15 no efa voasoloky tamin’ny volana febroary lasa iny ary nahazoan’izy iero vola 1 .000.0000 Ar ka hatramin’ny 1.800.000 Ar isaky ny olona; izay lazaina fa hikarakarana ny taratasy hahafahan’ilay olona makany Maorisy. Ity ramatoa voalaza anarana tetsy ambony moa no voalaza fa lehibehin’ireto mpisoloky ireto, izay mbola karohin’ny polisy ary tsy mbola fantatra izay misy azy ireo amin’izao fotoana izao.
Nitatra tany amin’ny faritra avaratra moa ny asaratsin’izy ireo, toy ny tany Antsiranana, Ambanja, Ambilobe ary Toamasina, ka olona miisa 25 no voasolokin’izy ireo tamin’ity volana may ity. Toy izany ny fampanantenana nataony fa hiasa any Maorisy ary nangalany vola 300.000 Ar ka hatramin’ny 800.000 Ar isan’olona mba hikarakarana ny taratasy. Ny 10 may teo moa dia nentina niakatra teto Antananarivo ireto olona ireto ary nitoby tamina hotely iray , nisy mihitsy ny fizaham-pahasalamana nataona dokotera iray ary olona iray hafa izay mody miteny vahiny hambabo sy tsy hampanahy ireto jono sy hinoany tanteraka fa misy ilay asa.
Misy lehilahy iray antsoina hoe Vaohita André moa, izay “agent de recrutement”, nanangona sy naka ny volan’ireo olona voasoloky, no niaraka tamin’ireo teto an-drenivohitra. Teny Ambohipo no voasambotra ity lehilahy ity, 36 taona, ny 11 may maraina teo. Nentina nakaty amin’ny polisy misahana ny heloka bevava sakelika fahefatra ny lehilahy.Tamin’ny fanadihadiana natao azy no nanekeny fa izy tokoa no naka sy nanangona ny volan’ireo olona nosolokiany ary tamin’izany no nanambarany fa iraka fotsiny izy, fa ramatoa iray antsoina hoe Francline sy izany lehilahy atao hoe SAID izany no tale sy tompon’antoka tamin’izao fisolokiana goavana izao. Mbola eo am-pikarohana ireo moa ny polisy amin’izao. Anisan’ny efa nanaovan’izy ireo ny asa ratsiny ihany koa moa ny tany Analavory iny.
Fianakaviana mihitsy izy ireo no manao ity asa fisolokiana ity, satria manana toerana fandraisana mihitsy izy ireo eny Tsiadana eny. Betsaka tokoa ireo efa voa ka nisy tamin’izany ny niala tamin’ny asany sy nandao ny fianakaviany ary nivarotra tanindrazana mihitsy noho ny hafitsiok’ireto mpisoloky. Manentana hatrany ny vahoaka ny polisim-pirenena mba tsy ho voarebireby amin’itony resaka asa any ivelany itony.
ALEM