Nanoloana indrindra ilay asa fampihorohoroana, nitranga tao an-drenivohitr’i Frantsa, ny zoma alina teo, ka nahafatesana olona 129, dia fantatra fa nandray fepetra henjana ihany koa ireo mpitandro filaminana eto amintsika, indrindra fa ny teo anivon’ny Zandarimariam-pirenena. Araka ny nambaran’ireo tompon’andraikitra ambony, nitafa tamin’ny mpanao gazety, omaly, teny amin’ny Toby Ratsimandrava, dia fantatra fa nohamafisina ny fiarovana ny sisin-tany, indrindra ireo toerana, izay ahitana teratany frantsay, toy: ny ambasady, ny sekoly, ny toeram-ponenana, ny toeram-pitsangatsanganana, sy ny sisa. Etsy andanin’izay, nanambara ireo, ho hentitra ihany koa ny fisavana ny sisin-tany sy ny fiarovana izany. Ity farany moa, dia efa natao hatramin’izay, ary indrindra manoloana ireo vahiny tonga marobe eto amintsika, saingy izao natao hihamafy izao, araka ny fanazavana nomen’ireo manamboninahitra ambony ao amin’ny zandary, notarihin’ny Kômandin’ny Zandarimariam-pirenena, ny Jly Rakoto Francois Rodin. Eo anatrehan’izany dia miantso ireo mponina ireto mpitandro filaminana ireto, mba hanaiky an-tsakany sy an-davany ireo toromarika omena amin’izany. Mety hisy mantsy, hoy hatrany izy ireo ny fisafoana ataon’ireo zandary, na ny Emmo, eny amin’ireny faritra ireny, amin’ny alina na amin’ny antoandro. Ao anatin’izany ihany koa, mety ho tonga hatramin’ny fisavana fiara, na olona mety mampiahiahy izany fisafoana ataon’ireo mpitandro filaminana izany. Izany fepetra manokana izany no noraisina araka ny fanazavana nomen’izy ireo hatrany dia, noho ny fangatahan’ny Masoivoho frantsay. Fa eo ihany koa ny fanehoana ny fiaraha-miory amin’ity firenena ity ary indrindra indrindra fiaraha-miasa ihany koa eo amin’ny firenena roa tonta.
m.L