- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAsa fanaovan-gazety eto Mahajanga : Nijoro ny OJM faritra manoloana ireo...

Asa fanaovan-gazety eto Mahajanga : Nijoro ny OJM faritra manoloana ireo fampihorohoroana samihafa

Filoha lefitra sy mpanolotsaina OJM Mahajanga.
Filoha lefitra sy mpanolotsaina OJM Mahajanga.

Tsy vao androany fa efa  matetika ny fampihorohoroana mpanao gazety eto Mahajanga. Ireo rehetra izay tsy mahazaka ny famoahana ny marina dia saika lasa manangam-pahavalo ny mpanao gazety avokoa. Manomboka eo ny ramatahora. Mandeha hatramin’ny fandrahonana samihafa satria voatohintohina ny amin’ny tsy mety ataony ny sasany. Misy mihitsy aza moa ny hafa no manao farateny fa na ho ela na ho haingana tsy maintsy ho voany ihany ilay mpanao gazety na amin’ny lafiny inona na inona.

Manoloana io indrindra no nijoroan’ireo mpitarika ny OJM eto an-toerana, notarihan’Atoa Tony Josoa sy Ramatoa Vero Andrianarisoa. Izay nanambara fa manameloka amin’ny lafiny rehetra ny fampihorohoroana mpanao gazety. Samy manao ny asany ny rehetra hoy izy ireo ka tsy tokony tsy hisy fanohintohinana. Niantso ny vahoaka sy ireo tompon’andraikitra isan-ambaratongany ihany koa izy ireo, mba hisin’ny fiara-miasa matotra amin’ny fanomezana loharanom-baovao, hahafan’ireo mpanao gazety mamoaka ny vaovao marina sy ara-potoana.

Tetsy ankilany nampanantena ireto zoky no sady Raiamandreny fa hanara-maso ny asa izay ataon’ireo mpanao gazety tsirairay avy satria izany dia anisan’ny andraikitr’ity rafitra atao hoe: Ojm ity. Hiaro  ihany koa anefa indrindra indrindra raha toa ka misy ny tsindry hazolena mahazo ireo namana, manoloana ny fanjakazakana sy fandrahonana ataon’ny sasany milaza fa manana fahefana ambony.

Tantely Vandriam

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici