Efa saika mpitandro ny filaminana avokoa ankehitriny ny mpiambina ireo fivarotana karàna eto an-drenivohitra. Na manao fanamiana sivily aza izy ireo dia fantatra ihany, indrindra koa noho ny basy mibontsina ao anaty akanjony. Misandrahaka ny fiambenana, satria efa miitatra any amin’ny banky, ny fivarotan-tsolika samihafa ary koa ny fanarahana olon-tsotra mpanam-bola. Misy sampana roa an’ny mpitandro ny filaminana aza dia efa antsoin’ny olona ao aminy mihitsy hoe “orinasa” noho ny fahafantaran’ireo izany karazana fitadiavam-bola ataon’ny lehibeny izany. Alefa miambina, toa ireny olona ampanofaina ireny ireo mpitandro ny filaminana, dia omena ampahany kely amin’izay azo, na izany isan-kerinandro na izany isam-bolana. Tsy afaka mandà satria baiko. Amin’ny lafiny iray koa moa, zaran’izy ireo aza manao io asa fiambenana io, izay mihainohaino fotsiny sy manao “bokona” dia vita. Tsy mila manao ny asany andavan’andro hifanenjika amin’ny jiolahy eran’ny tanàna akory. Rehefa natao ny fanadihadiana dia efa samy manana ny kaontiny kely amin’ireo toerana maro ny ankamaroan’ireo lehiben’ny mpitandro ny filaminana. Vokatr’izany anefa dia lasa tsy ampy ny olombelona miasa amin’ny tena fitandrovana ny filaminana sy ny fiadiana amin’ny jiolahy. Misy fotoana matetika dia voatery tsimpotsimponina ireo izay manao ny asany andavan’andro mba hamenoana maika ny banga, betsaka mantsy no taraiky any anatin’ny asa fiambenana. Maro ny tsy faly, satria terena fotsiny hanao ny andraikitry ny hafa. Dradradraina hatrany eto amintsika ny tsy fahampian’ny mpitandro ny filaminana, indrindra eto an-drenivohitra. Mazava anefa izao fa, isan’ny antony iray mitondra amin’izany tsy fahampian’ny olombelona izany ity bizna fiambenana ity. Fiaraha-miasa matetika no entin’ireo lehiben’ny mpitandro ny filaminana hanamarinana ny fandefasany any amin’ireo karàna na orinasa tsy miankina ambenana. Ny ao ambadik’izay anefa dia resa-bola tanteraka. Dia mivaingana ny vokany, taraiky vao tonga rehefa misy ny asan-jiolahy. Na koa lasa vitsy tsotr’izao fotsiny ny mpitandro ny filaminana tokony hiditra an-tsehatra ary lasa matahotra aza dia mitady fikafika hialàna rehefa fantany fa nisy ny poa-basy na koa maro an’isa ny jiolahy nanafika. Marobe ny tranga miverimberina toa izany ary isan’ny fositry ny olana ity fandefasana ny mpitandro ny filaminana hiambina ity, raha tokony hanao ny asany andavan’andro izy ireo. Raha hiteny hoe mila mijery akaiky ny lehiben’ny mpitandro ny filaminana, toa mampiahiahy ihany hoe mety hisy fiantefany ve ny hafatra, satria re fa izy ireo mihitsy aza no tena tompon’ity karazana bizna ity.
Didi R.