- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAsa fisolokiana : Tsy mitsaha-mitombo ireo karohina eny amin’iny pôlisy

Asa fisolokiana : Tsy mitsaha-mitombo ireo karohina eny amin’iny pôlisy

Nivoaka ny fampilazana fikarohana izay nataon’ny polisy eto Antananarivo, mahakasika ny fikarohana ny lehilahy iray izay misandoka ho manamboninahitra. Manao fanamiana miaramila izy ary mitondra fitaovam-piadiana. Revo tanteraka izay andalovany, satria tena mpitandro ny filaminana mahavita kolikoly avo lenta ny firesany sy ny fihetsiny. Manginy fotsiny ny fiakanjony. Eto amintsika moa, zary efa raiki-tampisaka ny kolikoly ary lasa mandeha hoazy ny fanaovana namana izay olona mahavita izany. Toe-javatra izay mampalahelo sy mampikorosy hatrany ny firenena. Ity rangahy ity ohatra dia milaza ho mahavita mamoaka entana ao amin’ny seranan-tsambo. Efa betsaka no voasolokiny tamin’izany. Tsy mijanona eo anefa, fa mbola miitatra hatrany amin’ny varotra tany ny ataony. Tany izay tsy misy akory kanefa nahazoany vola an-jatony tapitrisa maro. Raha ny filazan’ny pôlisy, dia tafakatra hatrany amin’ny 130 tapitrisa ariary no efa azony tamin’izany fisandohana sy fisolokiana izany. Marobe arak’izany ny vesatra izay miandry ity rangahy ity. Ankoatra ny fisandohana andraikitra, dia mbola eo koa ny fitazonana basy tsy ara-dalàna. Rehefa vita izay, dia miditra amin’izay ny fisolokiana samihafa ; izay mety mbola hiampy fandrahonana olona, noho izy mitondra basy hatrany.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici