- Publicité SW45 -
mardi, décembre 3, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAsa mendrika- Faritra Atsinanana : Fampahafantarana ny fiahiana ara-tsosialy ho an’ny mpiasa tena

Asa mendrika- Faritra Atsinanana : Fampahafantarana ny fiahiana ara-tsosialy ho an’ny mpiasa tena

Hitarina amin’ireo mpiasa tena ny fisitrahana fiahiana ara-tsosialy. Raha ny mpiasa eny anivon’ny orinasa hatrany no fantatra fa nisitraka ny fiahiana ara-tsosialy hatramin’izay dia hahazo ny anjarany ihany koa ireo mpiasa tena. Zon’ny mpiasa sy ny ankohonany ny hanana fiahiana ara-tsosialy hahafahany miasa am-pilaminana. Ho fanatanterahana ny Politikan’ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny ministeran’ny Asa, ny Fampananan’asa ary ny Asam-panjakana (MTEFoP) ny fisitrahan’ny mpiasa malagasy ny fiahiana ara-tsosialy, dia misy ny atrikasa natao tany amin’ny Faritra Atsinanana omaly  alatsinainy 18 novambra 2024. Tohin’ny atrikasa tapany voalohany efa natao tany Vakinankaratra izy ity ho fanentanana ny mpiasa tena indrindra ireo eny amin’ny tontolo ambanivohitra. Ny 90% n’ny mpiasa eny ambanivohitra manko dia mpiasa tena misehatra amin’ny fambolena, fiompiana, ny jono, ny taozavatra. Amin’ny alalan’ny fandrotsahana latsakemboka no hahafahan’ireo mpiasa tena ireo misitraka ny fisotroan-dronono rehefa zokiolona, sy misitraka ny fiahiana ara-pahasalamana hahafahan’izy ireo sy ny vady aman-janany mitsabo tena raha marary. Marihina fa fiaraha-miasa amin’ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny Asa (OIT) no nahatontosa izao atrikasa entina hametrahana ny fisitrahana ny fiahiana ara-tsosialy izao. Taorian’ny tao amin’ny Faritra Vakinankaratra izany dia anjaran’ny faritra Atsinanana indray no nisitraka ity fampahafantarana ity. 

Narindra Rakotobe

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici