- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAsan-dahalo any Ambatoboeny : Zandary iray nadoboka am-ponja, miaramila hanaovana fanadihadiana 

Asan-dahalo any Ambatoboeny : Zandary iray nadoboka am-ponja, miaramila hanaovana fanadihadiana 

Mihazakazaka be ny  raharaha, raha vao avy nandalovan’ny Paraiminisitra ny tanàna. Fantatra fa nisy Zandary manamboninahitra iray mitondra grady lietinà no nidoboka an-ponjan’i Marifoto ao Mahajanaga tamin’ny herinadro lasa teo. Tsy nijanona teo ny  fisamborana, satria mbola nisy miaramila iray mitondra grady adjidà Sefo no  nanokafana fanadihadiana avy hatrany . Izany dia mbola mahakasika ny asan-dahalo nisesisesy tany amin’ny disitrikan’Ambatoboeny hatrany. Mampanontany tena ny olona rehetra ny zava-misy ankehitriny, hay ve misy mpitandro ny filaminana ao ambadika amin’ity resaka asan-jiolahy sy fakana an-keriny miseho eto amintsika ity.  Raha hiverenana ny tantara dia, nandritra ny fidinana ifotony tany Ambatoboeny, rehefa naheno ny firongatry ny asan-dahalo ny lehiben’ny governemanta sy ireo delegasiona niaraka taminy. Rehefa tonga tany an-toerana ny praiminisitra ny volana marsa lasa teo, dia nitafa mivanta tamin’ireo tompon’andraikim-panjakana. Nanome toky ny lehiben’ny governemanta sy ireo minisitra niaraka taminy, fa « hanao izay tratry ny heriny manontolo ny fitondram-pnjakana izay mijoro ankehitriny, mba tsy hisian’ireny asan-dahalo sy fakana an-keriny izany intsony any Ambatoboeny. » Taorian’izay dia nihaona mivantana tamin’ireo mponina tany an-toerana ihany koa ny praiminisitra sy ireo minisitra namany, izany moa dia tsy azo natrehan’ireo manam-pahefana tany an-toerana. Rehefa nahazo toky ireo mponina dia nitantara ny tena zava-misy marina any amin’izy ireo, momba ny asan-jiolahy sy fakana an-keriny, ka nivoaka tao indray ny anaran’ilay manamboninahitra Zandary izay niasa tao Manerinerina avaratra teo aloha, ary voatonona tao ihany  koa ilay miaramila Adjidà sefo. Vantany vao naheno ity tranga ity ny Praiminisitra, dia nanome baiko hanokafana ny fanadihadiana makasika izany. Vokany : natolotra ny fitsarana tao Mahajanga tamin’ny herinandro lasa teo ilay lietinà taorian’ny fanadihadiana, ka nidoboka an-ponja vonjimaika ao Marifoto. Ilay miaramila kosa nilaza ny narary rehefa naheno ny fisamborana azy, ka mbola mitsabo tena eny amin’ny hopitaly moa izy hatreto. Aorian’izay no hahafantarana na meloka na tsia io miaramila voarohirohy amin’ity resaka asan-dahalo sy ho mpiray tsikombakomba amin’ny malaso io. Andrasan’ny maro aloha izany hatreto no mety ho tohin’ny raharaha.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici