Lehiben’ny dahalo fantatra amin’ny anarana hoe Tsimagnola R. na i Lahiniriko no maty voatifitry ny zandary tao amin’iny kaominina Soahazo, distrika Toliara II iny ny alakamisy lasa teo.
Heverina fa hilaminandamina amin’izay ny ao amin’ny distrikan’i Toliara II tamin’izao nahalavoana lehiben’ny dahalo izao. Raha ny fampitam-baovao azo avy amin’ireo zandary mantsy dia ity lehilahy ity, niaraka tamin’ny zanany no anisan’ireo mpangalatra omby raindahiny tany amin’iny faritra iny. Nitondra faisana tamin’izany ireo kaominina maro tany amin’iny distrika iny, indrindra fa ny tao amin’ny kaominina Analamisampy sy Soahazo. Fantatr’ireo mponina tsara mihitsy izany maha-dahalo azy izany ka nahatonga ny teo anivon’ny Dinabe sy ny mpitandro filaminana hiaraha-hiasa hisambotra azy. Napetraka avokoa ny paikady rehetra hanamborana ity dahalo rain-dahiny ity, hoy ny fampitam-baovao azo, ka nilatsahana vao maraina tany amin’ny tanana izay fantatra fa nisy azy ity farany. Nony vao nahita ireto mpisambotra anefa ingahirainy, tonga dia nampiasa ny fitaovam-piadiana teny am-pelan-tanany ary nitifitra tsy am-pihambahambana iretsy voalohany. Voatery namaly tifitra araka izany ireo zandary ka tamin’izany, hoy hatrany ny vaovao, no nahalavo ny bala azy. Sarona teny aminy ihany koa araka izany ny fitaovam-piadiana fampiasany, dia ny basim-borona « calibre 12 » mitondra ny laharana NR 069985. Nogiazana avy hatrany moa ity fitaovam-piadiana ity. Nitohy kosa ny fikarohana ireo izay mety ho ekipany, fa indrindra ilay voalaza fa zanany, mpiray tsikombakomba amin’ity farany amin’ity resaka halatr’omby ity.
m.L