- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversAsan-dahalo : Mpimasy sy mpilalao ody gasy miisa 15 maty voatifitra

Asan-dahalo : Mpimasy sy mpilalao ody gasy miisa 15 maty voatifitra

Nisy paik’ady manokana napetraky ny teo anivon’ny zandamariam-pirenena entina hamongorana ny asan-dahalo eto amintsika. Anisan’ireny ny fisamborana ireo dadarabe, mpimasin-dahalo izay voalaza fa tena itokian’ireo malaso sy to teny amin’izy ireo, satria mpanamboatra ireo ody gasy sy moara : ody bala, sns. Heverina araka izany fa rehefa tsy misy intsony ireo mpanao fanafodigasin’ireto malaso dia ho foana ho azy ity resaka asan-dahalo ity. Efa ho volana vitsivitsy izay no natomboka napetraka ity paik’ady ity ka fantatra fa hatreto dia efa miisa 25 ny ireo “dadarabe” na ireo mpimasin-dahalo efa voasambotry ny zandary, manerana an’i Madagasikara. Ny 15 tamin’izy ireo moa efa tsy afa-manao ny asa ratsiny intsony. Voatifitra ary maty avy hatrany raha saika nikasa ny mbola handositra ihany. Araka ny fanazavàna azo dia tany amin’iny faritra Alaotra iny ny ankabezan’ireto olona mpilalao fanafody voasambotry ny zandary ireto, ary ny tena mahazendana dia saika tao amin’ny distrika iray tany an-toerana. Ny farany vosambotra teo izao dia rangahy iray izay fanta-daza loatra any amin’iny faritra iny ho mpanao ody bala sy mpiray tsikombakomba amin’ny dahalo. Tonga teny am-pototsofin’ireo mpitandro filaminana izany ka tsy nisalasala avy hatrany ireto farany nanao ny fanadihadiana sy ny fikarohana ity ‘dadarabe’ ity. Tany amin’izany tanàna antsoina hoe Ambohitrarivo, ao amin’ny fokontany Ankaiafo Atsimo, kaominina Antanimenabaka, distrika Andilamena no fantatra fa nitoeran’ity mpilalao ody rain-dahiny ity. Voasambotra tao amin’io tanàna io izy sy ny vadiny, ny herinandro lasa teo. Raha ny vaovao azo hatrany aza dia toa hoe mbola nahitana basim-borona sy bala maromaro tao an-tranony, ankoatra ireo ody gasy marobe mameno trano mazava ho azy. Teny an-dalana hitondràna azy ho any amin’ny biraon’ny zandary, hanaovana famotorana azy anefa no nahita hirika hitsoahana ny anao lahy. Nihevitra ny tsy hisy hahamarika, kanjo, angamba, tsy nandaitra ny ‘masobe tsy mahita’. Niezaka nanajona azy moa ireo mpitandro filaminana saingy vao maika nitsoaka izy, hany ka voatery nampiasa basy ireto farany. Namoy ny ainy nony ratra nahazo azy moa ingahirainy. Ireo fanafody gasy marobe kosa dia nodorona avy hatrany teo imason’ireo manampahefana tany an-toerana. Mbola mitohy hatrany moa ny ezaka ataon’ireo zandary amin’izay lafiny izay, hanaovana hazalambo ireo mpilalao ody mipiray tsikombakomba amin’ireo olon-dratsy.

m.L

 

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici