- Publicité -
jeudi, juin 19, 2025
AccueilFaits-DiversAsan-dahalo : Remenabila, maty fanin-telony indray

Asan-dahalo : Remenabila, maty fanin-telony indray

Tamin’ny herintaona, nandritra ilay hetsika « opération Tandroka » no efa nodradradraina ho ren-tany, ren-danitra fa hoe maty, voatifitra, ilay « olo-malaza » indrindra eto Madagasikara, nandravarava tany amin’iny faritra Atsimon’ny Nosy iny. Mipoitra indray anefa izao ny filazana vaovao fa vao tamin’ny volana ambony teo no lavo ny « andrarezina », ka mahatonga indray ny asan-dahalo any Atsimo, raha ny voalazan’ny mpitandro filaminana. Nambaran’izy ireo mantsy fa mety noho ny fahafatesan-dRemenabila no antony mahatonga indray ny asan-dahalo any an-toerana. Araka ny fombafomba any amin’ny faritra Atsimo iny mantsy, dia misy ilay atao hoe « avoria », izay famonoana omby rehefa misy maty. Ankevitry ny omby ilainy amin’io fomba io, izay mety tafakatra aman-jatony any ho any no anton’io fangalarana omby any Atsimo io. Raha ny fomba nahafatesan-dRemenabila, araka ny fitantaran’Atoa Ketsason, mponina any amin’iny faritra iny, dia sendra ny nahay azy ny tarik’ity jiolahy rain-dahiny ity ka raraka tsikelikely. Remenabila sy ny lefiny vitsivitsy sisa tafaporitsaka, niafina tanaty ala kanefa mbola voadaroky ny grenady ihany. Maty vokatry ny ratra nahazo azy tamin’izany ity lehiben’ny dahalo ity, raha ny filazan’ity olona any an-toerana ity. Lasa ihany ny sain’ireo mpanara-baovao, tena maty marina indray ve sa entina hanehoana vokatra isaky ny hetsika atao any amin’ity faritra ity fotsiny ?

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser