- Publicité -
jeudi, août 21, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAsan-dahalo : Tafaverina any Fort-Dauphin ny kapiteny Faneva

Asan-dahalo : Tafaverina any Fort-Dauphin ny kapiteny Faneva

Tsy nampoizin’ny Kapiteny Faneva ny nitsenan’ny mponin’i Faradofay azy tamin’ny niverenany tany an-drenivohitra Anosy. Ny talata misandratra andro teo no nigadona tany an-toerana ny tenany. Vory lanona ny mponina. Fiarahabana azy tsy maty fo aman’aina nandritra ny fifandonany tamin’ireo andiana malaso tamin’ny tapany avaratry ny distrikan’Amboasary Atsimo no anton’izany hetsika izany. Akoatra ny fitsenana an’ity kapiteny ity, nisy ny filaharambe namakivaky ny tanàna nipaka hatrany amin’ny Panorama Betsioky, toerana nomanin’ny mpanomana ny fandraisana an’ity manamboninahitra avy ao amin’ny zandarimariam-pirenena ity. Nilaza ny hafaliany ireo mponina tamin’izao fahatongavany ao Faradofay izao. Ny kapiteny Faneva etsy andaniny mbola nampanantena ny hampandry fahalemana ireo distriky 02 iandraiketany : Amboasary Atsimo sy Faradofay. Ampahatsiahivina fa izy no “Commandant de Cie” mifehy ireo zandary amin’ny distrika roa ireo.

RFa.

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser