- Publicité -
lundi, juillet 14, 2025
AccueilFaits-DiversAsan-dahalo tany Betafo : Tonga nitaky ny faty ireo dahalo

Asan-dahalo tany Betafo : Tonga nitaky ny faty ireo dahalo

Notafihan’ny dahalo 15 lahy mahery ny fokontany iray tao amin’ny distrikan’i Betafo, ny faran’ny taona 2016 lasa. Vokany, dahalo iray no maty nandritra ny fifandonana. Nifanilihan’ny fokonolona teny an-toerana ny fatin’ity dahalo ity   ka niteraka savorovoro. Noho izany dia naterina tany amin’ny  kaomisarian’ny polisy  Betafo ny razana, ka izy ireo no niandraikitra ny fandevenana azy any amin’ny fasam-bahiny. Raha araka ny resadresaka niarahana tamina ramatoa iray mponina eny an-toerana dia tonga tao amin’ilay fokontany nitrangan’ny asan-dahalo ireo mpanafika haka ny fatin’ny naman’izy ireo ny alakamisy lasa teo. Noho ny fahatahorana dia tsy nisy sahy nifanatrika tamin’ireto jiolahy izy ireo, araka izany. Nasain’izy ireo hitaky ny razana any amin’ny manam-pahefana anefa izy ireo. Raha zohina ny fandehan’ny fanafihana dia dahalo 15 lahy mahery no nangalatra omby 32 tamin’ny iray ora tolakandro. Tsy nanaiky lembenana ireto fokonolona fa nanatanteraka fanarahan-dia avy hatrany. Nanampy azy ireo tamin’izany ny manam-pahefana sy ireo olona vitsivitsy tao anatina fiara sendra nandalo teo an-toerana minitra vitsy taorinan’ity tranga fanafihana ity. Nisy tamin’ireo fokonolona no dahalo niova fo ka mahalala tsara ny fomba fiadin’ny jiolahy ka mora foana ny nanatratrana ireo mpangalatra omby. Samy nanana fitaovam-piadiana ny andaniny sy ny ankilany tamin’izany ka raikitra ny fifampitifirana. Nanararaotra ny tsy fahampiam-balan’ ireto dahalo  ny fokonolona ka nahatifitra iray tamin’izy ireo, izay maty teo no ho eo. Tafaporitsaka kosa ireo ambiny raha vao nahita ny fivadihan’ny tantara. Omby iray tamin’ireo 32 very no maty novonoin’ireo olon-dratsy teny an-dalana fa tafaverina soamantsara tamin’ny tompony kosa ny ambiny.

Kanto R. (Stagiaire)

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici