- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAsan-dahalo tao Maevatanana : Ankizy mpianatra iray maty voatifitra, roa hafa lasa...

Asan-dahalo tao Maevatanana : Ankizy mpianatra iray maty voatifitra, roa hafa lasa takalon’aina

Dahalo miisa roapolo nitondra basim-borona sy zava-maranitra no tonga nanafika tany amin’ny tanàna antsoina hoe Andranobevava, kaominina Beanana, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna, ny alakamisy 06 aogositra lasa teo, tokony ho tamin’ny 11 ora alina. Avy hatrany dia niditra an-keriny tao amin’ilay tanàna voalaza etsy ambony ireto jiolahy ireto. Sady nanapoaka basy izy ireo no nitsoka kiriorioka nentina nandemena ny iray tanàna. Nivoaka ny trano ity ankizy lahy kely izay mpianatra kilasy fahasivy ao amin’ny sekoly tsy miankina iray eto Maevatanàna, rehefa nahare ny poa-basy sy ny fanafihan-dahalo. Teo no nitifiran’ireo malaso azy. Ireo jiolahy tetsy an-daniny kosa nandroba ireo omby tao am-bala, ka lasan’izy ireo nandritra ny fanafihana ny omby miisa 30 teo an-toerana. Tsy niandry ela ireto farany, fa nitsoaka nandositra avy hatrany rehefa nahazo ny omby. Ary tsy vitan’izay, araka ny tatitra azo avy amin’ny zandary fa mbola nitondra, olon-tsotra anankiroa, natao takalon’aina.

Efa nanomboka taitra ny teo amin’ny manodidina raha nandre ny feom-basy sy nahita an’ilay ankizy lahy nitsirara teo amin’ny tany. Tonga ihany ny zandary avy eto an-tampon-tanànan’ny renivohitry Betsiboka raha vao nampandrenesina, ary tsy niandry ela fa niroso avy hatrany tamin’ny fanenjehana ireo malaso. Tsy ela dia nifankahatratra teny an-dalàna ka raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny roa tonta. Nitsoaka nandositra ireo jiolahy rehefa tsy nahavaly ny fifampitifirana, ary raraka ihany koa ireo omby rehetra. Avotra torak’izany ihany koa ireo olona nentin’ireo olon-dratsy natao takalon’aina. Tetsy an-kilan’izay kosa, efa noezahin’ny fokonolona tao Andranobevava nentina hamonjy hopitaly kosa ilay ankizy voatifitra, saingy tsy tana ny ainy noho tifitra nahazo azy. Mbola mitohy ny fikarohana hazalambo ireo dahalo ataon’ireo zandary any an-toerana, hatreny an-tampon-tanety rehetra eny, hatramin’ny ora nanoratanay omaly. Heverina fa hitondra vokatra tsy ho ela izany hazalambo izany.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici