vendredi, mai 23, 2025
AccueilFaits-DiversAsan-dahalo : Taxi-brousse iray voasakana, maty ny mpamily

Asan-dahalo : Taxi-brousse iray voasakana, maty ny mpamily

Miverina indray ny fanakanan-dàlana ataon’ireo dahalo. Araka ny vaovao voaray dia taxi-brousse iray no fantatra fa nosakanan’ny dahalo tany amin’iny faritra Bongolava iny. Ny tatitry ny zandary no nahafantarana fa matin’ny balan’ireo malaso ny mpamilin’ity “taxi-brousse” ity. Voalaza hatrany moa fa dia mirongatra izay tsy izy ny asan-dahalo any amin’iny faritra iny, miampy ny ao Vakinankaratra. Raha ny ao Mandoto fotsiny dia efa tafakatra 6 hatramin’izao ny isan’ireo dahalo voasambotra. 150 kosa no isan’ireo omby nogejaina. Araka ny tatitra hatrany moa dia efa fantatra tsara amin’izao fotoana izao ireo toerana tena mangotraka amin’ity asan-dahalo ity. Anisan’izany ny ao Morafeno, Anjoma Ramartina, ny any Miandrivazo, ary Ambatofinandrahana. Ny vaovao ihany koa no nahafantarana fa nahitam-bokany ny fiaraha-miasan’ny fokonolona sy ny zandary, satria dia efa tafaverina amin’ny tompony ireo omby 38 norobain’ny dahalo tao Soatanimbary. Avotra soa aman-tsara ihany koa ilay tovolahy nataon’ny dahalo takalonaina.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser