- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAsan-jiolahy : Alika mpitsongodia namantana tanaty biraon’ny mpitandro ny filaminana

Asan-jiolahy : Alika mpitsongodia namantana tanaty biraon’ny mpitandro ny filaminana

Tsy ilay alika akory no nanao asan-jiolahy, fa nampiasiana kosa izy mba hanarahan-dia ireo olon-dratsy. Nanao ny asany tokoa izy amin’ny maha mpitsongodia azy. Akory ny hagagan’ny mpanao fanadihadiana fa nivantana tao amin’ny biraon’ny mpitandro ny filaminana ilay biby. Samy nangidihidy avokoa ny lohan’ny rehetra, na ireo mpanao fanadihadiana izay nampiasa ny alika, na koa ireo mpitandro ny filaminana izay nivantanany. Tsy mandainga mantsy io karazam-biby io ary efa nofanina manokana aman-taonany amin’ny fitsongoana dia. Tsy vitan’izany fa mbola olona marobe ihany koa no indray liana ka nanaraka ny raharaha, isan’izany ny havan’ilay olona niharan’ny asan-jiolahy. Toa izao ny zava-nitranga, tamin’ny faran’ny herinandro teo dia nisy lehilahy iray voaendaka. Naratra mafy io farany noho ny tsatok’antsy nanjo azy. Tsy vitan’izany fa mbola notapenan’ireo jiolahy “scotch” ihany koa ny vavany mba tsy hahafahany miantso vonjy. Tsy nanaiky mora foana ny momba izany ny fianakaviany ary nanapa-kevitry ny tsy nikitika izay mety ho porofo rehetra tafajanona teo amin’ilay toerana nitrangan’ny fanendahana. Nantsoina ny tompon’andraikitra momba ireo alika mpitsongo dia. Nasaina norofin’ilay biby ireo porofo tafajanona teo ary dia io izy nizotra avy hatrany, ary tsy tampim-pihambahambana tao amin’ny biraon’ny mpitandro ny filaminana. Toerana iray misitaka kely an’andrenivohitra no nitrangan’izany. Niniana tsy notononina na ny anaran’ilay tanàna, na vondron’ireo mpitandro ny filaminana (na izany ireo nanao ny fanadihadiana, na koa ireo noahiana ho tompon’antoka tamin’ny fanendahana sy fandratràna olona) noho ny fanadihadiana izay mbola mandeha tanteraka amin’izao fotoana. Ny fantatra dia mitady hisy hanarontsarona indray ity raharaha ity kanefa ny vahoaka teo amin’ilay toerana dia vavolombelona tanteraka tamin’ny zava-nitranga, izany hoe ny valin’ny fitsongoana dia nataon’ilay alika…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici