- Publicité -
mardi, juillet 15, 2025
AccueilFaits-DiversAsan-jiolahy Ambalamanasy Toamasina : Manao ny ataony mihintsy ireo jiolahy, tokatrano telo...

Asan-jiolahy Ambalamanasy Toamasina : Manao ny ataony mihintsy ireo jiolahy, tokatrano telo tratra anatin’ny alina iray…

Tena hanjakan’ireo jiolahy mihintsy iny fokontany Ambalamanasy iny amin’izao fotoana izao. Ao anatin’ny alina iray dia tokantrano telo no nanaovan’ireo jiolahy ny asa ratsiny ary samy nahazoan’izy ireo zavatra avokoa. Efa henjana ihany koa ireo jiolahy mpanao izany vaky trano izany, satria nialohan’ny famakiana ny trano ataony dia tapahany ny tarobia mitarika amin’ny anjomara (alarme) fampiasan’ilay trano, sy ny tarobian’ireo fakan-tsary ny trano (video de surveillance) samy hafa. Vao tafiditra ny trano izy ireo dia ny vola sy izay zavatra sarobidy ao an-trano hidirany no angatahany amin’ny tompon-trano. Izay tsy manome na milaza ny tsy misy dia mahazo tehamaina mandrivorivo avokoa, ka ity vehivavy iray nanao izany ka mangana mihintsy ny tarehiny. Vokatra izany dia voatery mamoaka ny miafina rehetra ireo olona hidiran’izy ireo. Tamin’ity tokatrano telo notafihan’izy ireo, ny iray an’ny tompon-trano, ny roa ambony ny an’ny mpanofa trano, dia samy tratran’izany avokoa izy ireo. andian-jiolahy mihintsy izy ireo no manao izany ao Ambalamanasy “carreau II” ao, satria efatra miditra ny trano manao ilay fitakiana vola, ny ambiny kosa miambina ivelany mitazana sy mijery ireo olona miditra amin’ilay vaky trano. Vokatra ity vaky trano tsy manam-pahataperana ao Ambalamanasy ity dia manao antso avo amin’ny mpitandro filaminana sy ny tompon’andraikitra samy hafa ny mponina fa mandry andriranantsy izy ireo isan’andro amin’ny hafitsoky ny andian-jiolahy.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici