Tovolahy iray sendra tratra alina teny Analakely no nataon’ny mpanendaka lasibatra ny alin’ny zoma lasa teo. Tokony ho tamin’ny sivy ora alina, raha nizotra tamin’iny akaikin’ny firavotam-boky iny izy no notsenain’ireo olon-dratsy. Norahonana tamin’ny sabatra maranitra ary nalaina izay azo nalaina teny aminy. Ny nahatsara azy dia avy hatrany dia nihazakazaka tao amin’ny biraon’ny pôlisy tao Analakely ilay voaendaka ary nanazava faran’izay haingana izay nanjo azy. Nivoaka ireo mpitandro ny filaminana ary nanao ny fikarohana. Nihodina tany Ambodifilao tany ary hita teo ireo lehilahy miaraka amin’ny sabatra, asa saika mbola hanararaotra ireo olona izay tratra alina tany koa angamba. Raikitra ny fifanenjehana ary rehefa nahita ny fanambanana basy ireo olon-dratsy dia nilavo lefona ihany. Efa-dahy izy ireo no notazomina tao Analakely niaraka tamin’ireo fitaovam-piadiany. Samy niaiky ny helony ihany koa ary hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela.
D.R