- Publicité SW45 -
mercredi, juillet 3, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAsan-jiolahy : Efadahy nanafika ny Telma, lasa ny volabe

Asan-jiolahy : Efadahy nanafika ny Telma, lasa ny volabe

Omaly tolakandro tany amin’ny 3 ora, nisy fanafihan-jiolahy niseho teny amin’ny faritry ny Bazary be Toamasina. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa bandy miisa efatra nitondra Scooter no nandroba tao amin’ny “Boutique Telma” Boulevard Joffre. Lasan’ireo olon-dratsy avokoa ny vola rehetra hitany toa miampy telefonina maro.  Nitondra basy sy zava-maranitra ireto mpandroba ireto ary dia tsy nisy afaka maina ireo olona rehetra fa voaroba avokoa. Nisy vehivavy iray handrotsaka vola hatrany amin’ny 7 tapitrisa tany voaendak’ireo olon-dratsy. Nalainy koa ny vola tao anaty “caisse” mitentina 5 tapitrisa. Rehefa azony izany rehetra izany dia lasa nandeha izy ireo. Tsy ela anefa dia tonga ny mpitandro filaminana ary raikitra avy hatrany ny fanenjehana ireo jiolahy. Tsy nisy tratra intsony anefa ry zalahy fa efa dila. Malaza any an-toerana ny jiolahy mitondra moto manafika. Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana fa efa tena maty paika avokoa ny fanafihana vao manao izany ireo mpandroba ireo. Misy aza ny milaza fa efa mahazo vaovao izy ireo vao mihetsika, ary dia mora ho azy ireo ny manao ny asa ratsiny.

Toa tsy misy fiafarany koa ny halatra miharo herisetra ao Toamasina ao. Vao tsy ela akory izao no nisy fandrobana nahatratrarana  bandy roalahy nanao fanafihana mitam-piadiana. Voamariky ny mponina fa ny Scooter no tena mahakinga ireo jiolahy. Afaka mandositra avy hatrany mantsy ry zalahy amin’izay. Tsy milamina ny tanàna araka izany. Vao tamin’ny alatsinainy no nisy ny fakana an-keriny Karàna izay tsy mbola misy mangirana ny mikasika izany. Omaly indray dia fandrobana no niseho.

J.C.S/ r.s.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser