- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAsan-jiolahy eto Andrenivohitra : Ravan’ny pôlisy ny « bande des six »

Asan-jiolahy eto Andrenivohitra : Ravan’ny pôlisy ny « bande des six »

Tambajotran-jiolahy, fantatra amin’ny anarana hoe « bande des six » indray no ravan’ny mpitandro filaminana, ny faran’ny herinandro teo. Efatra tamin’izy enin-dahy no voasambotra. Voatifitra ny roa ka maty ny iray ary mbola maratra sy tsaboina eny amin’ny hôpitaly ny iray. Araka ny fantatra, avy nanafika tranombarotra iray teo Tsaramasay ireto andian-jiolahy ireto no sendra tafiditra tao anaty haraton’ireo pôlisy, izay efa manao fisafoana foana eny amin’ireo toerana. Nisy avy hatrany ny fifanenjahana sy fifandonana teo amin’ireto andian-jiolahy sy ireo mpitandro filaminana. Hatrany Ankazomanga ka hatreny Ankorondrano. Vokatr’izay dia jiolahy roa no voan’ny balan’iretsy farany. Maty teo noho eo ny iray, raha naratra ny iray. Nisy efatra tamin’ireo olon-dratsy no azo sambo-belona. Mbola nahatrarana basy sy fitaovam-piadiana hafa ihany tany amin’ireto olon-dratsy ireto. Tsiahivina fa, vola aman’hetsiny no azon’ireo tao amin’ilay tranombarotra notafihan’izy ireo. Efa nahavita ny asa ratsiny ireto andian-jiolahy ireto vao tonga ny pôlisy nanenjika. Inoana araka izany fa mba hilamindamina indray aloha izany ity resaka asan-jiolahy ity eto Andrenivohitra. Taorian’ny fisian’ilay « bande des 7 » teny Ankadifotsy mantsy, dia izao rava izao indray ny « bande des 6 », andian-jiolahy isan’ny nampihorohoro ny teny amin’iny faritra Ankorondrano, Ivandry sy ny manodidina iny, raha ny fanazavana azo tamin’ireto tomponandraikitry ny pôlisy eto Andrenivohitra.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici