- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAsan-jiolahy eto Antananarivo : Hofaizina ireo pôlisy tsy manara-dalàna sy manao zavatra...

Asan-jiolahy eto Antananarivo : Hofaizina ireo pôlisy tsy manara-dalàna sy manao zavatra mampiahiahy

POLICE-(3)Tato ho ato tokoa izay dia nisesisesy ireo asan-jiolahy sy fanafihana isan-karazany teto an-drenivohitra. Nanomboka ny voalohan’ny taona no nankaty dia efa nahatratra 162 ny isan’izany. 40 tamin’ireo fanafihana an-jatony ireo nahazoan’ireo olon-dratsy izay notadiaviny, 122 kosa no nandamoaka noho ny asan’ireo pôlisy. Ny volana ambony lasa teo no tena nirongatra tanteraka izany, fito kosa no tamin’ity volana ity. Fantatra izany antontan’isa izany tamin’ny alalan’ny famoriana mpanao gazety notontosain’ny avy ao amin’ny polisim-pirenena, notarihin’ny Talen’ny filaminam-bahoaka, Contrôleur général Rakotondrainivonona Panoël Macaire, omaly maraina. Voalaza tao anatin’ny tatitra ihany koa fa ireo mpivarotra enta-madinika no tena lasibatra tato ho ato. Fanafihana izay voatondro ho vokatry ny zavatra mianjady amin’ny Firenena amin’izao fotoana izao, ny fahantrana, ny tsy fananana asa ary ny savorovoro pôlitika. Nohamarinin’ity tompon’andraikitra ity fa tsy tokony hisalasala ireo mponina, hanatona avy hatrany ny Kaomisaria akaiky azy indrindra raha misy fisehoan-javatra mampiahiahy. Indrindra moa, raha ny fanambarany hatrany, amin’ny mety ho fisian’ireo pôlisy tsy manara-dalàna, na ihany koa manao fihetsika mampiahiahy eo am-panantanterahana ny asany. Hisy ny fepetra hentintra, araka izany, hanafaizana ireo izay mihoa-pefy entina hiarovana ny vahoaka. Nambarany ihany koa fa matoa betsaka toy izany ny asan-jiolahy nandamoaka dia nanantanteraka ny asany ireo mpitandro filaminana. Nanolaana ireo trangam-panafihana isan-karazay ireo, raha ny voalazan’ity tompon’andraikitra ity hatrany, dia hisy ny fidinana ifotony, hanakaiky kokoa ny vahoaka, ka anisan’izany ny fanamasina ny fisafoana, antoandro sy alina, eny amin’ireo fokontany maro samihafa, ny fandefasana pôlisy eny amin’ireo tsena na fiangonana rehefa andro tsy fiasàna, alahady sy andro fety, ary eo ihany koa ny fanakatonana ireo « bar » mivoha amin’ny alim-be, izay isan’ireo fieren’ny jiolahy. Napetraka ireo fepetra rehetra ireo entina sy hiezahana hamongorana hatramin’ny fotony ireo asan-jiolahy, hoy hatrany ity Talen’ny filaminam-bahoaka ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser