- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversAsan-jiolahy, fahafatesana mifono mistery : Olana saro-bahana eo amin’ireo tompon’andraikitra

Asan-jiolahy, fahafatesana mifono mistery : Olana saro-bahana eo amin’ireo tompon’andraikitra

Araka ny fanadihadiana nataonay dia nahatratra 86 ny olona namoy ny ainy tao anatin’ny 10 andro ny taona vaovao 2023. Ny 44 tamin’izany dia niala teto Toamasina ary nalevina tany amin’ny faritra hafa. Ny 42 tamin’izany kosa nalevina teto Toamasina ihany, ka ny 15 tamin’ireo tao amin’ny fasam-bahiny Anjoma. Tany amin’ny fasan’ny kaominina Manangareza ny 27. Tamin’ireo razana 86 ireo dia tsy nandalo hopitaly be ny 8 ka ny 4 tamin’izany maty noho ny tsy fahampian-tsakafo teo aminy, ny 2 kosa voalaza fa nisy namono, ny 2 hafa mpanjono maty an-drano, ary ny 2 farany dia vono olona tsotra izao. Ho an’ny fianakavian’ilay tovovavy nisy namono tao Ambalamanasy, milaza ny hitory ny fianakaviany fa tsy mbola voaray, hoy ny kaomisera Rajaobelina Herizo misahana ny sampana polisy mikasika ny heloka bevava.

Mampametra-panontaniana ny maro ny fahafatesan’olona 78 tamin’ireo 86. Amin’ny ankapobeny mantsy dia nambaran’ny mpitsabo sasany tsy nanaiky hotononina anarana, fa miakatra be ny tahan’ny covid-19 eto Toamasina amin’izao, saingy afenina izany mba tsy hisy ny fahatairana eo amin’ny olona, dia izao ny vokany. Ny olana koa anefa dia misy karazan’aretina hafa mamely ny vahoaka izao dia ilay tazomahery sy gripa hafa kely. Manampy trotraka izany koa ny fisotroana alikaola, nefa ny sakafo amin’izao efa tsy ampy, ka manafaingana ny fahafatesana ihany koa. Ankilan’izany dia mifanindran-dalana amin’ny taham-pahafatesana eto Toamasina ny tsy fandriamam-pahalemana amin’ny fampiasana basy poleta. Ny tena olana dia mandeha andiany roa na telo ireo jiolahy, samy mitondra basy fohy avokoa. Nilaza ny komandan’ny FIP, Rafaliarivo Jules, mikasika azy ireo fa efa fantapantatra ireo jiolahy ireo sy ny anarany ary ny moto fitondrany sy fampiasany. “Miandry lohananom-baovao voamarina tsara izahay dia hifankahita, ary mampitandrina ireo mpivarotra basy amin’izy ireo ihany koa”. 

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici